Analakely – Vehivavy miisa 6 tratra nanendaka
Ravan’ny polisy ny andiam-behivavy mpanendaka eny Analakely sy ny manodidina. Miisa 6 izy ireo ary izany Farahjons izany no mpitarika azy. I Narindra, Claudia, Nenifara, Mahia, ary Poune kosa no mpiray tsikombakomba aminy. Eny amin’ny mpivarotra akanjo fripy akaikin’ny pavillons no tena famelezan’ireto jiovavy ireto ka ny manokatra paoketra no tena manavanana azy ireo.
Efa maty paika ny asa ratsin’izy ireo satria mody miondrika mijery fripy miaraka amin’ny olona eo nefa manendaka an-tsokosoko. Ny sasany mampiresaka mpivarotra mody miady varotra be, ny sasany manakona, ny hafa mitakosikosina amin’ izay endahina, ary ny hafa mangarona na mandidy ny paoketra amin’ny hareza.
Tsy eny Analakely ihany izy ireo no manao ny asa ratsiny fa tena mitety tsena toa an’Andravoahangy sy Isotry ihany koa. Nitantara ny lehiben’ireto vehivavy mpangarom-paosy ireto fa tonga manenjika fiara hatrany Mahajanga sy Toamasina ary Fianarantsoa izy ireo. Vehivavy ihany no lasibatra amin’izany. Raha ny filazan’izy ireo ihany dia matetika angonina aloha izay azo rehetra ka rehefa hariva vao zaraina. Manao fanafody gasy izy ireo rehefa mandeha manao io asa ratsy io raha ny filazan’izy ireo ihany. Rehefa mivoaka mandeha faritany izy ireo dia miaraka maromaro ary maka “chambre”, ka ny andro tsena any amin’ilay toerana no ivoahany hanaovana ny asa ratsiny. Natolotra ny Fampanoavana omaly alatsinainy 09 novambra 2015 ireto mpanendaka ireto.
Ra-dom