Te hifidy ny lohany nefa matahotra ny masony
Misarongatra indray tato ho ato ny fikambanana maro samihafa izay mijoro manome tsiny ny mpitandro filaminana izay voaporofo fa tsy mitsitsy ary mitifitra sy mamono mahafaty avy hatrany ireo heverina fa jiolahy sy olon-dratsy. Lazaina ho tsy manan-tsiny ireo voatifitra fa ny miaramila sy polisy ary ny zandary no mahery setra loatra ka tsy manisy lanjany ny aina sy ny zon’olombelona. Sarotra be ity toe-draharaha ity satria na iza na iza voatifitra ka maty dia efa maharary satria aina no resaka eto ary malagasy mpiray tanindrazana no lasibatra. Nijoro mihitsy ary niakatra teto an-drenivohitra ireo olobe sy tangalamena avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ka nifampiresaka tamin’ny mpitandro filaminana ary nanao fanambarana fa mangataka ny fanatsaharana ny fampaisana basy amin’ny fampandrian-tany any amin’izy ireo. Nohazavain’ireo raiamandreny sady manam-pahefana ara-drazana ireo fa tsy asan-dahalo tsotra no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana any atsimo fa resaka valifaty amin’ny samy tanàna. Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe fa maninona ireo olobe ireo no tsy nandray ny andraikiny hatramin’izay fa niandry ny mpitandro filaminana handripaka ny vatan-dehilahy sy handoro tanànan’olona maro vao hitsangana. Raha nisy hatrany am-boalohany mantsy ny fandraisana andraikitra dia tsy toy izao ny zava-misy satria voalamina teny an-tanàna hatrany ny raharaha ary tsy tonga hatramin’ny famoriana vatan-dehilahy an-jatony hifanafika sy hifamono ary angalatra omby sy hanafika tombin’ny zandary ny toe-draharaha.
Tena mahery fihetsika ny mpitandro filaminana ary mila saziana ireo manao tsy an-drariny fa mamonomono olona fahatany nefa kosa ilaina ihany ny fampisehoan-kery ataon’izy ireo satria toa lasa tany tsy misy Fanjakana eto Madagasikara. Izay rehetra tsy faly amin’ny hafa izany dia hijoro sy haka basy ary handringana izay tsy mitovy hevitra aminy satria izay ilay antsoina hoe valifaty. Tany misy Fanjakana eto ary tany mbola manana mpitandro filaminana ka tsy vitan’ny herisetra amin’ny samy sivily ny famahana olana vokatry ny hevitra tsy mitovy.
Toy izany, ihany koa, ny zava-misy hatraty an-drenivohitra. Toa ny olona sasany indray no miaro sy manatsatso rehefa misy jiolahy voatifitry ny polisy. Tena mampihorohoro tsy mitsitsy ary manampatra ny habibiany anefa ny olon-dratsy ary vitsy no mba voasambotra sy voatifitra. Izao zon’olombelona izao foana no arosoroso rehefa misy olon-dratsy ataon’ny mpitandro filaminana mahita faisana fa tsy mba misy fikambanana na iray aza sahy nijoro sy nanameloka mivantana ireo fikambanan-jiolahy mampitondra faisana ny vahoaka.
Efa nilaozan’ny toetr’andro ny lalàna famaizana eto amintsika ka tsy atahoran’ireo tsy valahara intsony ny hiakatra fitsarana sy hidoboka eny am-ponja. Vetivety izy ireo dia tafavoaka ary mamerin-keloka sy mamaly faty ireo olona efa nampitondrainy faisana indray. Misy rariny ihany ny an’ny polisy tonga dia mitifitra rehefa mifanehitra amin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana. Ireo olon-dratsy tsy te hahalala fa mitifitra olon-tsotra izay tafihany koa anjaran’ny polisy no mamaly faty ny vahoaka mba hanafay ireo jiolahy.
Sarotra ity tsy fandriampahalemana ity satria misy miaro hatrany izay voasambotra sy voatifitra. Lazaina fa tsy manan-tsiny sendra ratsy vintana teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana tamin’ny fotoana nisian’izany hatrany izay voasambora sy voatifitra. Dia misarongatra ireo fikambanana maro samihafa misora-tena ho fiaraha-monina sivily fa tsy voahaja ny zon’olombelona. Adinon’izy ireo ny zon’ireo maty voatafika, sy ny vehivavy voaolana ary ny very fananana noho ny afitsok’ireo jiolahy. Mila manana fomba fiasa mahery vaika ny mpitandro filaminana ary mampiseho fa tsy mitsitsy izay olon-dratsy mifanehitra amin’izy ireo. Io ihany no fomba tsotra, haingana sy mahomby ampihenana ary hamongorana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Misy ireo vahoaka sasany te hifidy ny lohany nefa matahotra ny masony. Miantso vonjy any amin’ny mpitandro filaminana nefa mihorin-koditra rehefa aripaky ny polisy sy miaramila ny jiolahy.
Ravalo tsy Manana