Fandrobana mpandraharaha – Lasa ny roalahy tsy ampy taona ny 80 tapitrisa ariary
Zazalahy tsy ampy taona miisa roa miaraka amin’ny fianakaviany no sarona nandroba mpandraharaha ary hiakatra fitsarana any Antalaha amin’ity herinandro ity. Zazalahy 16 taona sy 17 taona no fantatra fa niditra an-tsokosoko tao amin’ny trano fivahinianana iray, nipetrahan’io mpandraharaha, ary nangalatra ny vola mitentina 80 000 000 ariary hividianana jirofo. Tany amin’ny kaominina Vinanivao no nisehoan’izany, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy, teo anelanelan’ny 10 ora hatramin’ny 2 ora maraina.
Taitra ilay mpandraharaha, rehefa niverina avy nisotrosotro, raha nahita ny efitrano nikorontana ambony ambany. Nampandre ny tompon’andraikitra an’ilay hotely avy hatrany ary iry voalohany avy eo niantso ny mpitandro filaminana tao Ampanoavana. Rehefa natao ny fikarohana dia sarona ny alatsinainy teo tamin’ny fihetsika nasehoany ireo nahavanon-doza. Fantatra hatrany fa nividy zavatra sarobidy be dia be izy roalahy nefa olona tsy manana anton’asa akory ka nanaitra ny sain’ny maro.
Nosamborina izy roalahy ary rehefa natao famotorana dia nilaza ny marina ny iray fa nozaraina tamin’ireo havany ny sasany tamin’ny vola sy novidianana zavatra ka ny antsasaky ny vola 40 000 000 tapitrisa sisa tavela. Araka ny nambarany ihany, ny 10 tapitrisa tamin’ilay vola nomeny ny reniny ary tratra tany ambany ondana. Mbola nahitana 5 tapitrisa koa tany amin’ny rahalahiny. Nosamborina ihany koa ireo olona roa ireo ka amin’ity herinandro ity no hiakatra fitsarana.
Laurena Nany