Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Namonjy bal-n’i Jeam Aimé – Herinandro mahery vao hita ny fatiny

Lehilahy iray no hita faty tany amin’ny kaominina Vinanivao, ny talata maraina lasa teo. Efa herinandro mahery io lehilahy io no tadiavina tao an-tanàna fa tsy nahenoina vaovao mihitsy. Nandeha namonjy alim-pandihizana notanterahin’i Jean Aimé teo ampitan’ny tanàna no nialana tao Vinanivao ary io tsy niverina io intsony. Fantatra fa mpiavy io lehilahy io, izay mpampianatra ao an-toerana.

Natao ny fikarohana azy fa tsy nisy vokany. Araka ny loharanom-baovao dia efa nijanona tsy nitady azy ireo fokonolona no hita navalan’ny rano ny fatiny izay roa andro talohan’ny nahitana ny bisikiletany teo amoron-drano. Ahiana ho nisy namono io mpampianatra io vao natsipy teny anaty rano. Rakotra diana zava-maranitra sy mangana ny vatany. Ny mahagaga anefa tsy nalain’ireo mpamono ilay bisikileta. Mety ho lonolono tsotra izao no antony nanaperana ny ain’ity lehilahy ity.

Efa simba tanteraka ny razana tamin’ny fahitana azy ary efa namoaka fofona. Raha ny vaovao voaray hatrany dia tsy nandrasana intsony ny razana fa rehefa vita ny vatam-paty, nalevina avy hatrany ny androtr’io talata io ihany. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre