Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Trafikana rongony – Mpamily kamiao naiditra am-ponja vonjimaika

Ho fanamafisana ny fandriampahalemana  ao amin’ny tananan’i Fianarantsoa sy ny manodidina dia nanao fisavana ireo fiara rehetra mivezivezy any an-toerana ny polisim-pirenena. Nandritra izany indrindra no nanatanterahana fisavana tamin’ny kamiao iray mampitohy an’i Toliara sy aty an-drenivohitra, ny faran’ny volana oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahefany tokalandro.

Saron’ny polisy mpanao barazy tamin’izany fotoana izany ny rongony 47 gony, izay milanja 611 kilao, teo Ankofafa, niaraka tamin’ilay mpamily izany fiara vaventy izany. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahalalana fa avy any Toliara ireo zava-mahadomelina ireo ary nokasaina entina hiakatra aty an-drenivohitra fa izao tratra izao ary niaiky izy fa azy ireo entana ireo.

Taorian’ny famotorana dia natolotra ny fampanoavana tany an-toerana ny alatsinainy 2 novambra lasa teo io lehilahy mpamily io ary naiditra am-ponja vonjimaika. Nodorana avy hatrany kosa ireo rongony tratra ireo taorian’ny fahazoan-dalana avy tamin’ny fitsarana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre