Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Nanendaka jeneraly – Voasambotra i Marah sy ny vadiny

Voasambotry ny polisy, ny 9 novambra, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, teny Vasacoss Antanimena, ilay tovolahy iray antsoina hoe Marah, 24 taona mpanao sinto-mahery. Nanendaka fiarana manamboninahitra jeneraly miaramila iray tratry ny fitohanana teny amin’ny toerana voalaza eo ambony. Telolahy izy ireo no nanantona ilay fiara ka ny iray mody nilaza tamin’ilay manamboninahitra fa misy kiaka ny fiarany. Vao naheno izany dia nivoaka nijery izany ilay jeneraly, tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nalain’ny roalahy ny kitapony tao anaty fiara izay nisy antotan-taratasy maromaro sy vola 200 euros miampy vola malagasy maromaro.

Teo am-pandrebirebena ilay manamboninahita iny indrindra no nosamborina i Marah ary nateriny teny amin’ny Polisin’Antaniavo. Tafaporitsaka niaraka tamin’ilay kitapo kosa ny roalahy. Nilaza fa tsy mahafantatra ireo roalahy kosa izy fa ny laharana finday ihany no fantany nandritra ny famotorana azy ka nasaina nantsoina noho izany mba hanatitra ilay kitapo. Tsy niseho teny kosa ireo jiolahy fa ny vadin’i Marah sy ny namany no tonga nanatitra ilay kitapo efa tsy nisy vola intsony fa ireo antontan-taratasy no sisa tavela tao.
Natolotra ny fitsarana omaly 11 novambra izy telo voasambotra ireo.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre