Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Sambava – Trano 30 mahery hotohoton’ny afo

Nitrangana haintrano mahery vaika tany amin’ny distrikan’i Sambava ny alarobia atoandro, tamin’ny 2ora sy sasany tany ho any, tao amin’ny fokontany Antanambao Daouda. Trano hazo miisa 32 no kila forehitra ka fianakaviana miisa 150 no voalaza fa tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao.

Zaza no nikarakara sakafo ka ny pitika afo nilatsaka tao ambany trano no nahatonga ny fahamaizana araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Noho ny tsy fisian’ny mpamonjy voina dia naharitra ora maro, ireo fokonolona, namono ny afo ihany. Efa tamin’ny 5ora hariva tany ho any vao voafehy tanteraka ny afo araka ny fantatra hatrany.

Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra fa potika tsy nisy noraisina avokoa ireo entana lafo vidy sy ny vola. Mahatratra any amin’ny 30 tapitrisa ariary any ny fahavoazana. Manoloana izany dia nangataka ny fanampiana amin’ireo olona malala-tanana sy ireo mpitondra any an-toerana ireo niharam-boina.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre