Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Miady an-trano !

Manomboka miditra amin’ny ady an-trano ny malagasy. Tsy mbola toy ny any ivelany izay tena fifamonoana mitam-basy fa amin’ny endriny hafa. Lasa tsy mifanara-tsaina ary mifanipaka toy ny valala an-karona avokoa mantsy ny mpiray sehatra sy ny mpiray vondrona amin’izao fotoana izao. Io iaraha-mahita io ny afitsoky ny mpampianatra izay noheverina ho mpanabe hay samy tia tena, tsy mahay miray hina ary tsy mitambatra ho vato fa misaraka ho fasika. Efa hatry ny ela no nifandrafy ny mpampianatra mpiasam-panjakana sy ny mpampianatra Fram. Mbola mitohy amin’izao fotoana izao io disadisa sy lonilony io. Ny Sempama manambany ny Fram ho tsy mahay, ary ireto farany kosa manondro ny Sempama ho kamo sy tsy mahavita ny adidiny. Izao indray dia ny samy Sempama no miady an-trano. Lasa misy sendika roa samihafa mihitsy izay mifaninana mifanaratsy sy mifanebaka eny ambon’ny fampahalalam-baovao. Samy mpampianatra anefa ary samy mpanabe. Naleon’izy ireo nisafidy ny tsikalakalam-bola sy ny tsikalakalam-boninahitra toy izay ny tsikalakalam-pihavanana. Samy milaza azy ho manana ny rariny ary manondro ny hafa ho diso.

Tsy eo anivon’ny fampianarana ihany io fisaraham-bazana io no tazana fa hatreny amin’ny mpitandro filaminana ihany koa. Mampiaka-peo ny sasany amin’ireo manam-boninahitra efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena ary manebaka ireo tompon’andraikitra ankehitriny ho tsy mahafehy ny asa. Na ny samy amperin’asa ihany koa aza dia tsy mifanara-tsaina ary hita izany eo amin’ny miaramila sy polisy ary zandary. Fandre matetika ny hoe saika hifampitifitra ny  polisy sy zandary ary ny zandary sy miaramila. Vao haingana izany no nitranga tany Fianarantsoa sy tany Toaliara. Tanjona iray anefa no adidin’izy ireo dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Na ny samy polisy na samy miaramila, na samy zandary aza dia misy ny tsy fifankahazoana anatiny.

Rehefa misy olana toy izao izay mahakasika ny fianam-pirenena amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy voaresaka ny mpanao politika. Hita mibaribary fa manomboka mikorontana ny samy eny anivon’ny antoko tsirairay. Vokatry ny fisafidianana izay ho kandida arotsaka loholona no tena mahatonga izany. Samy mba te ho lohany sy hitavana ny tombontsoa mihoa-pampana ao amin’ny lapa maitson’Anosikely avokoa mantsy ny rehetra ka manao izay ho afany, eny hatramin’ny faminganana ny mpiray antoko mihitsy mba ahazoana seza. Ireo antoko lehibe toy ny HVM, ny MAPAR ary ny TIM no tena voasaringotr’io savorovoro politika anatiny noho ny fitiavan-tena io.

Tsy sanatria ireo vondrona vitsivitsy votanisa (mpampianatra, mpitandro filaminana, mpanao politika) akory no diso fihetsika fa ny fomba fitantanana tsy mahomby eto amin’ny firenena no mampiditra toetra mampisavorovoro eny amin’ny sehatra isan’ambaratongany. Samy te handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ity firenena ny rehetra ka manao izay ho azo atao ahazoana sehatra hanatanterahana izany. Vitsy anefa ireo sehatra ahafahana tena miasa ho an’ny firenena noho ny fitantanana tsy mahomby ka lasa mivangongo eo am-pelatanan’ny olom-bitsy ny fahefana sy ny fanapahan-kevitra ary ny tombontsoa rehetra. Tsy mahagaga raha miady izay ambiny kely sisa tavela ny any amin’ny sehatr’asa isan-tsokajiny any satria efa tonga amin’ny “raha ho faty aho, matesa rahavana”, ny raharaha.

Rehefa tena dinihina tokoa mantsy dia fitakian-jo no tena mampiady ny samy malagasy. Zo hiasa sy zo hahazo karama mifanandrify amin’izany no mampifanolana ny samy mpampianatra. Zo hanao ny asany ary hametraka ny fandriampahalemana araka ny toromarika nomena sy ny fiofanana azon’izy ireo no mampifanolana ny samy mpitandro filaminana rehefa misy ny tsy mazava amin’ny fifanitsahana andraikitra. Zo handray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena no mampifaninana ny samy mpanao politika mpiray antoko.

Miteraka ady an-trano izany rehetra izany satria tery ny fahafahana hisitraka ireo zo ireo noho ny antony maro samihafa.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre