Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Vono olona – Telo lahy nidoboka am-ponja

Taorian’ny fihainoan’ny mpanao famotorana ireo olona am-polony mahery mikasika ny vono olona niseho tany Soanierana Ivongo, ny talata lasa teo, dia nampidirina am-ponja any Ambalatavoahangy ny telo lahy izay tena tompon’antoka tamin’izany. Ny alarobia teo izy ireo no niakatra fitsarana ary niaiky ny heloka vitany. Noho ny fisalasalana sy ny tsy fahampian’ny vesatra niampangana ireo ambiny kosa dia navotsotry ny fitsarana ireto farany.

Mpirahalahy niady tany no fantatra fa nahatonga ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny maty dia resy ny iray tamin’izy roa rehefa nandalo fitsarana izany. Tezitra noho izany ilay voalaza etsy ambony ka nandrasany  niaraka tamin’ny namany efa am-polony mahery, tany anaty ala izay misy ny fiasany any Sahave ilay rahalahiny. Tamin’io fotoana io tsy nandeha irery ilay lasibatra fa niaraka tamin’ny lehilahy roa hafa. Novonoin’ireo olona maro avy hatrany  tamin’ny fomba feno habibiana ny roalahy fa ilay fahatelo tafaporitsaka. Natahotra ny ho toriana ireto mpamono olona ka izy ireo indray no tonga aloha tany amin’ny zandary. Nanambara izy ireo fa nahatratra dahalo nangalatra jirofo ka novonoiny. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana, tratra ny laingan’izy ireto, sady ilay fahatelo tsy maty nijoro vavolombelona  rahateo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre