Vonjy maika !
Manomboka miverina indray ny setroka be eto an-drenivohitra na dia efa naka fanapahan-kevitra handatsaka orana artifisialy aza ny fitondram-panjakana. Vahaolana vonjimaika ihany anefa iny fandatsahana orana iny satria tsy maharitra ela ny vokatra entiny. Raha ny zava-misy dia tara ny fiatombohan’ny orana eto Madagasikara noho ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Tokony efa vanim-potoanan’ny fahavaratra tanteraka ny fiandohan’ny volana novambra ary tsy ilana izany orana artifisialy izany akory. Izao anefa, efa hisasaka ihany ny volana rahampitso nefa tsy mbola hita izy orana voajanahary na dia indray mitsaika aza. Voatery tsy maintsy handatsaka orana indray izany ny fitondram-panjakana raha mitohy izao setroka be mitondra aretina eto an-drenivohitra izao. Vahaolana vonjy maika izay mety hiteraka olana amin’ny fambolena raha atao matetika satria maro amin’ireo mpamboly no alaim-panahy hanararaotra ny rotsak’orana ka hamafy ny masomboliny eny an-tsaha. Vao mitsimoka anefa ireny voa nafafy ireny, ka tsy mbola tonga ny orana voajanahary, dia tsy haniry akory fa ho matin’ny hafanana fotsiny.
Tena mpanimba tontolo iainana ny malagasy ary tsy mihevitra ny ho aviny fa ny anio ihany no mahamaika. Araka ny tatitry ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana miahy ny famokarana ara-tsakafo dia efa ripaka ny 92 isan-jaton’ny ala voajanahary eto Madagasikara. Doro tanety, kitay, saribao, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no tena mahatonga io faharipahana io. Porofo mibaribary amin’ny voka-dratsin’ny fahasimban’ny ala ny mosary any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Tsy manam-bola hividianana sakafo ireo mponina satria tsy mamokatra ny tany famboleny ka tsy afaka mivarotra vokatra izy ireo. Ara-tantara mantsy dia tena rakotra ala ny faritra atsimon’ny Nosy saingy nopotehin-draolombelona izany ka lasa ngazana sy main-tany mandavan-taona. Tsy fahita firy mihitsy izany hoe nosy toa an’i Madagasikara nefa misy tany efitra zara raha misy orana toy ny any Atsimo.
Efa iainana anefa ny tsy fahampian’ny rano amin’ny faritra sasany eto amintsika ka tsy tokony atao fialana andraikitra intsony. Feno rano ny faritra hafa eto Madagasikara ary azo atao tsara ny mitarika izany amin’ireo toerana maina mba ahafahan’ny vahoaka mamokatra. Mila manangana foto-drafitr’asa maharitra ny mpitondra fa tsy mionona amin’ny vahaolana vonjy maika toy ny fandatsahana orana artifisialy na ihany koa fanamboarana vovon-drano tsy maharitra mandavantaona akory. Azo atao tsara mihitsy ny mitarika rano mankany amin’ny faritra atsimo saingy tsy mbola nisy fitondram-panjakana tena sahy nanatanteraka izany. Ny fampanantenana sy ny tetikasa no betsaka fa ny fanatanterahana tsy misy.
Mety ho lafolafo ny manao fantsona goavana hitarihana rano mankany Atsimo nefa kosa hitondra vahaolana ho an’ny vahoaka sy ny fampandrosoana satria ho afaka hamokatra ny mponina, ary ho salama tsara ka tsy ho vesatra ho an’ny firenena intsony ny resaka kere. Fanamboaran-dalana aza vita, ary misy ihany koa ny orinasa mahavita mametraka fantsona lehibe andefasana ny harena an-kibon’ny tany miainga any amin’ny toeram-pitrandrahana mankany akaikin’ny seranan-tsambo koa ahoana ny Fanjakana tsy hahavita fantsona fitarihan-drano ho an’ny vahoaka?
Mila finiavana ara-politika sy fitiavan-tanindrazana ity olana ateraky ny rano ity fa tsy vitan’ny fampanantenana poak’aty sy fitserana fotsiny. Variana amin’ny zavatra hafa tsy ihinanan-kanina sady tsy ahazoam-bola toy ny fikarakarana foara sy atrikasa etsy sy eroa ny mpitondra hany ka tsy fantany ny tena maharary sy mahafaty ny vahoaka. Efa mihatra aman’aina ity resaka tsy fisian’ny rano ity ka mila vahaolana maika sao ho ripaka eo ihany ny vahoaka any Atsimo.
Ravalo tsy Manana