Vavatenina – Mamolava nifamono ho faty
Nandritra ny lanonana, teo amin’ny olona vitsivitsy, dia nisy ny fifandonana izay nitarika fahafatesan’ny olona iray. Ny sabotsy 14 novambra no nitrangan’izany, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antsiranandrano, fokontany Volenga, kaominina sy distrikan’i Vavatenina. Hevitra tsy mitovy no nahatonga ny fikorontanana araka ny vaovao voaray. Rehefa samy nisotrosotro alikaola teo izy ireo dia raikitra ny fifanakalozan-kevitra. Samy miseko sy miseho ho manana ny marina izy ireto avy ka dia niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Tsy nisy nanaiky lembenana ka raikitra ny totohondry teo amin’ny olona roa. Niezaka nanasaraka ireo mpifanandrina ihany ireo namany niaraka tamin’izy ireo. Kanjo olona iray, tamin’ireo nanasaraka, no voa tany amin’ny toerana saro-pady ary nitarika ny fahafatesany. Nisy olona 4 hafa koa naratra mafy. Nalefa haingana tany amin’ny hopitaly tany Toamasina izy ireo, saingy maty teny an-dalàna ny iray noho ny fahavoazana be loatra nihatra taminy. Zandary miisa 6 avy ao amin’ny borigady Vavateninana miampy 14 avy amin’ny tobim-paritra Analanjirofo no tonga tany an-toerana. Araka ny vaovao voaray hatrany dia efa milamina ny raharaha amin’izao fotoana izao.
L.N