Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Maevatanàna – Olona 3 maty navadiky ny Sprinter

Fiara taksiborosy marika Mercedes Sprinter iray nitondra mpandeha am-polony no niharan-doza, tany amin’ny kaominina sy fokontany Antanimbary, distrika Maevatanàna, ny zoma 13 novambra lasa teo. Ny fandehanana mafy sy fahamamoan’i ny mpamily no antony nampivadika ilay fiara raha ny loharanom-baovao. Vokany, olona miisa 3 no maty teo no ho eo ary ny ambiny naratra avokoa fa ny dimy no tena voa mafy. Nidina teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny mpitandro filaminana nanao fizahana. Ireo naratra kosa nalefa haingana tany amin’ny hopitaly Maevatanàna mba hahazo fitsaboana mifanandrify aminy avy. Mahakasika ireo namoy ny ainy indray dia naterina any amin’ny tranom-paty any amin’ny hopitaly hatrany miandry ny fianakaviany. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre