Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Andranofeno Atsimo – Nananganana toeram-piofanana ireo mpifindra monina

Tafajoro eny amin’ny « Vohitra iombonana », any Andranofeno Atsimo, ilay Ivon-toeram-piofanana araka asa izay nifandrombonan’ny ministera isan-tsokajiny amin’ny lafiny ara-tsosialy. Ity foto-drafitr’asa ity moa dia tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andro faharoa. Nisy ny fidinana ifotony, ny zoma lasa teo, nampahafantarana ny mpanao gazety izany toeram-pampiofanana izany. Trano fampianarana naorina tao anatin’ny 40 andro monja, ary ny 60 andro sisa no ametrahana ny fitaovana ampiasaina amin’ity sekoly ity.

Fanamby amin’ny fametrahana ireo foto-drafitr’asa ireo ny hijanonan’ny mpifindra monina any an-toerana, izay tafiditra ao anaty tanjona faha-11 amin’ny fampandrosoana maharitra. Misy noho izany ny toeram-piofanana, izay tsy angatahana mari-pahaizana fa amin’ny alalan’ny traikefa azon’ireo ankizy no ahafahana manome sertifika azy ireo. Hisy ihany koa ny fampianarana taozavatra ireo mponina ary ny tanjona amin’izany dia ny hahatonga iny tanàna iny ho lasa toerana fizahantany. Mba ahafahana manaja ny tontolo iainana ihany koa dia nisy ny fambolen-kazo natao teny an-toerana, niarahana tamin’ny minisitry ny Mponina, sy ny an’ny Fampianarana ara-teknika, zanaka hazo « cyprès » miisa 240 handravaka izany toerana izany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre