Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Itasy – Notolorana boky ny mpanao landy

Faritra mampandroso ny tontolon’ny fizahantany ny any Itasy amin’ny sehatra maro samihafa, indrindra eo amin’ny fanodinana ny landy izay hanehoan’ireo mpanao asa tanana ny kanto malagasy. Araka izany, mpanao asa tanana maro no mahazo vokatsoa amin’ny alalan’ny fanodinana ny vokatra ifotony manaraka ny fivoarana amin’izao vanim-potoana izao hanehoana ny fahaizana nentim-paharazana.

Manoloana izany indrindra dia notoloran’ny « Cite Ambatonakanga » boky torolalana momba ny fampiasana ny landy ireo mpanao asa tanana any Itasy, tamin’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hisitrahan’ny tsirairay ny vokatsoa amin’ny alalan’ny fizahantany mipaka eny ifotony izay miainga amin’ ny fihariana ara-toekarena. Ao anatin’izany ny fizahantany izay mampidi-bola ho an’ny isan-tokantrano, mampitombo ny fampiasam-bola ary mamorona asa maro iadiana amin’ny fahantrana.

Misy noho izany fomba fiasa vaovao napetraky ny ministeran’ny Fizahantany, ny fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro mba hanangonana sy hitantanana ny vokatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny antontan’isa ka hamaritana azy mazava isam-bolana sy isan-taona eto amintsika. Raha amin’ny hetra fampiantranona fotsiny dia mampiditra 40 isan-jaton’ny vola miditra amin’ny fizahantany ny eto Analamanga, araka ny antontan’isa voaray avy amin’ny ministera tompon’andraikitra amin’izany, raha toa ka 19,6 isan-jato Nosy Be Hell-Ville, 10 isan-jato any Toamasina, 8 isan-jato any Mahajanga ary 6 isan-jato any Antsiranana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre