Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Sambava – Notafihin’ny olona ny biraon’ny polisy

Nisavorovoro ny iray tanàna tany Sambava, omaly alahady, mahakasika ny raharaha nahafatesana zazalahy 18 taona, tao amin’ny fokontany Ambodisatrana, ny marainan’io ihany tokony ho tamin’ny 1 ora. Raha ny zava-nisy dia namonjy alim-pandihizana ilay tovolahy 18 taona raha nifanehitra tamin’iray hafa 30 taona izay nahavanon-doza. Nitoraka ity farany ilay zazalahy ka tezitra noho izany ary nahatonga ny famonoana araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Naka tavoahangy izy io ka novakiana  ary ilay vakin-tavoahangy iny no notsindrominy tamin’ny tendan’ilay zatovo lahy. Noho ny fahaverezan-drà be loatra teo aminy dia maty tsy tra-drano ilay lasibatra.

Vao naheno ny zava-misy, tsy niandry ela ny polisy tany an-toerana fa nanao ny fisamborana ilay nahavanon-doza avy hatrany. Vao mangiran-dratsy anefa dia nanao be midina teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny havan’ny maty nitaky ny hamoahana ilay tovolahy namono hanaovana fitsaram-bahoaka saingy tsy nanaiky ny manam-pahefana. Tamin’ny 11 ora atoandro, ny androtr’io ihany, tonga nitangorona manoloana ny biraon’ny polisy ny andiana  tovolahy, naman’ilay namoy ny ainy, nitaky hatrany ny famoahana ilay lehilahy saingy nolazain’ny mpitandro filaminana fa efa nalefa any Antalaha ity farany. Tezitra noho izany ny vahoaka ka nandoro kitay, kodiarana teo amin’ny lalana manoloana ny biraon’ny polisy. Voatery nanao tifi-danitra ny polisy anaparitahana azy ireo. Marihina fa efa fanintelony amin’izao ity tovolahy ity no namono nahafaty olona, tany an-toerana, fa mandositra hatrany ary andrasany  milamina ny raharaha dia miverina kely indray izy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre