Ady lehibe fahatelo
Fanombohan’ny ady lehibe fahatelo ! Io no hanasokajian’ny maro ny savorovoro sy ady any ivelany any. Toa efa manomboka mitambatambatra avokoa mantsy ireo firenena matanjaka rehetra ary efa midaroka ireo sokajiany ho mpampihorohoro dia ny Fanjakana islamika izany. Hatreto aloha tsy misy idiran’i Madagasikara amin’ity ady ity saingy tsy maintsy voakasika ihany isika satria ao anatin’ny fanatontoloana ka tsy maintsy misy fiantraikany hatrany ny ady toy izao. Efa iaraha-mahalala rahateo fa nisy malagasy sy vazaha mpandeha matetika aty Madagasikara namoy ny ainy tamin’ny fitifirana nataon’ireo mpanao vy very ny ainy tany Frantsa. Tena ady be mbola tsy nisy toa azy, ity ifanandrinan’ny frantsay sy ny fanjakana islamika ity, satria na ireo tsy mitovy hevitra hatramin’izay aza dia lasa mivondrona. Tsy mbola fahita mihitsy izany hoe i Fransta sy Rosia no hiara-dia hanao tambabe hanafika fahavalo iray. Mbola tafiditra ao amin’ilay ady ihany koa i Shina sy ireo Fanjakana arabo, sy silamo, ary indrindra ilay vondrona nolazaina fa mpampihorohoro Al-Quaida. Ity farany izay notarin’i Hussama Ben Laden ihany koa mantsy dia miady amin’ny Fanjakana islamika. Io no mahatonga ny maro hihevitra fa tena ady lehibe fahatelo no manomboka amin’izao fotoana izao satria ny Fanjakana islamika ihany koa dia tsy miorina amin’ny firenena iray fa marobe no misy azy maneran-tany. Aty Afrika sy any amin’ny arabo ary ny firaisana sovietika teo aloha no tena misy azy. Na dia tsy mbola niditra an-tsehatra mivantana aza i Madagasikara dia efa amam-bolana maro no tafalatsaka tsy fidiny tao anatin’ity savorovoro ity. Ahiahian’ny amerikanina ho misy toerana fanangonana sy fanofanana ireo mpanao vy very ny ainy mahery fihetsika mantsy eto amintsika. Efa nanamafy izany rahateo ny mpitandro filaminana malagasy. Tsy mahagaga io zava-misy io satria gaboraraka ary zara raha misy fanaraha-maso ny sisintanin’i Madagasikara izay moron-dranomasina avokoa ka ahafahan’ny sambo mijanona ampidirana olona. Tsy manam-pitaovana amin’izany rahateo i Madagasikara ary mbola anjakan’ny kolikoly tanteraka ny sehatra rehetra ka sarotra ny hanara-maso izay vahiny miditra sy mivoaka.
Manoloana izany rehetra izany anefa dia mijoro ho mpiaro ny firenen-dehibe sy ny foto-kevitra arahin’ny eoropeanina sy amerikanina ny mpitondra malagasy ary efa im-betsaka no nilaza fa manana andian-tafika afaka handray anjara amin’ny fampandrian-tany any Afrika. Ho an’ny vahoaka dia karazan’ny misangy loza sy mitady hangarom-biby an-davaka ihany isika raha miditra amin’ny ady any ivelany any. Ny mpanendaka sy mpamaky trano, ary dahalo aza tsy laitran’ny tafika malagasy ny mifandona aminy koa maika fa ireo mpanao vy very ny ainy sy mpanongam-panjakana any Afrika? Sao dia “mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran’ny rambony” eo?
Ny mety amintsika dia tsy mitsabaka amin’izay ady any ivelany any. Izany hoe tsy momba ny atsy na ny aroa fa aleo hifanjevo any ny firenena matanjaka sy ny Fanjakana islamika. Mbola mafy ady rahateo ny malagasy ary ady ny fiainana eto an-toerana ka ireny fahantrana sy tsy fandriampahalemana ary areti-mifindra, tsy mitsaha-morongatra ireny no tokony imasoan’ny mpitondra ny andresena azy. Ankoatra izany dia mananontanona hatrany ny ady an-trano eto amintsika satria na ny samy mpitondra, na ny vahoaka avy amin’ny foko samihafa any atsimon’ny Nosy any aza mifampiandry amin’ny kendry tohana mba hisian’ny fifandonana.
Toy izany ihany koa ny sarababem-bahoaka sy ny mpitondra Fanjakana izay tsy mety mifanaraka noho ny fitavozavozan’ny asa fampandrosoana sy ny tsy fisian’ny mangarahara. Raha fanapahan-kevitra entina hamoretana ny vahoaka toy ny fandrarana ny fampiasana harona plastika, sy ny fandrodanana trano etsy sy eroa dia mailaka ny mpitondra fa raha kosa fepetra ampidinana ny vidin’ny entana sy hanafoanana ny asan-jiolahy dia tsy misy.
Noho ny fahantran’ny vahoaka sy ny fitiavan-tenan’ny mpitondra dia ady lehibe roa no efa nisy teto Madagasikara tao anatin’ny 15 taona, izany hoe hatramin’ny fiandohan’ny taona 2.000. Tsy inona ireo fa ny ady lehibe tamin’ny taona 2002 izay nampiongana ny filoha Ratsiraka sy ny tamin’ny taona 2009 izay nampandrositra ny filoha Ravalomanana. Raha mitohy izao fahantrana sy fanaparam-pahefana izao dia ahiana ny hipoahan’ny ady lehibe fahatelo. Enga anie tsy hisy izany fa ho ringana eto isika mianakavy.
Ravalo tsy Manana