« Rotary Club Tsimbaroa » – Ankizy sahirana miisa 1150 nozaraina fitaovam-pianarana
Tafiditra ao anatin’ny sehatra ifotoran’ny fikambanana « Rotary club international » ny fampianarana, izay hanatanterahany asa sosialy hanampiana ny sahirana. Izany indrindra no nahatonga ny klioba rotariana « Antananarivo Tsimbaroa » hisafidy ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana avy amin’ny Faritra Analamanga sy Itasy. Mpianatra kilasy faha5 miisa 1150 avy amin’ny sekoly miisa 20 mahery, Epp na tsy miankina, no nahazo anjara tamin’izany mba ahafahan’izy ireo miatrika am-pilaminana ity taom-pianarana 2015-2016 ity. Samy novatsiana kitapo, kahie, penina ary pensily hazo avy izy ireo. Araky ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Rija Razanadrakoto, ny mpikambana tsirairay ao aminy no namaritra ireo sekoly nahazo ny fanampiana, anisan’izany ny tany Ampefy, Ankadikely Ilafy, Mahitsy, Ambatomirahavavy, sns. Nofaranana ny sabotsy teo teny amin’ny tobim-pitsaboana « Rotary Ivandry » ny fizarana ireo « kits », ka mpianatra aman-jatony no nahazo tombony.
Ankoatra ny fizarana fitaovam-pianarana dia manatanteraka asa sosialy marolafy ny « Rotary Club Antananarivo Tsimbaroa ». Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ohatra dia zazalahy maherin’ny 1000 isa no noforaina tamin’ny fomba maoderina, nanomboka ny volana jolay lasa teo ary hitohy hatramin’ny volana jona 2016. Anisan’ny asa maharitra kosa ny tetikasa « Bibliobus » na ilay fiara lehibe famakiam-boky mitety faritra maro, ahafahan’ny ankizy manovo fahalalana. Fa anisan’ny tetikasa vaovao, natomboka ny volana oktobra lasa teo ary haharitra 2 taona, ny « Aroala », natao hiarovana ny faritra voaaron’i « Maromizaha », 20km miala an’Andasibe Moramanga. Mitentina 240 tapitrisa Ariary ny famatsiam-bola hanatanterahana an’io tetikasa io, mifototra indrindra amin’ny fambolena zanakazo sarobidy, ny famatsiana rano fisotro madio sy ny fampitaovana ny « cantine scolaire » any an-toerana.
E.F