Miaina ao anaty lavaka
Tafalatsaka anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana i Madagasikara satria misy misokajy ao anatin’ny lisitr’ireo firenena 5 tsy mandroso indrindra maneran-tany. Nisy fihemorana io laharana mahamenatra io satria mbola tsy tao anatin’io lisitry ny gisitra io isika mialohan’ny nitsanganan’ny Repoblika faha efatra. Izany hoe mampiseho fa tsy lavorary ny asa fampandrosoana nataon’ny mpitondra ankehitriny. Niaiky rahateo ny minisitra iray eo anivon’ny Governemanta fa nidina tsy araka ny novinavinaina ny tahan’ny harikarena faobe teto amintsika tamin’ity taona ity. Nolazainy moa tamin’izany fa ny andro ratsy sy ny fidinan’ny vidin’ny akora fototra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany eo amin’ny sehatry iraisam-pirenena no nahatonga izany. Misy minisitra hafa ihany koa milaza fa ny tsy fahamarinan-toerana politika no nahatonga ny fahamafisan’ny fahantrana. Ankilazan’izany dia milaza amin’ny ankapobeny ny governemanta fa ny tsy fivoahan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena no tena antony mahatonga ny fitondrana tsy hahavita ny tetikasa fampandrosoana nampanantenainy.
Resaka teknika avokoa anefa izany fanazavana izany ary tsy ho takatry ny sarababem-bahoaka ny fahamarinany. Ny fantatry ny malagasy dia ny hoe nifidy izy ary nampanantenaina fa hisy fampandrosoana sy fanovana ao anatin’ny fotoana fohy eto. Olona noheverina fa teknisianina manana traikefa sy mahay mamaha ny olana rehetra no lany ho Filoha kinanjo toa vao mainka niharatsy noho ny an’ireo roalahy teo alohany izay nosokajiana ho tsy manana diplaoma ny asa vitany. Tsy fanazavana ara tekinika no andrasan’ny vahoaka amin’ny fitondrana fa asa sy vokatra miantraika amin’ny fiainan’ny isan-tokantrano.
Hatreto anefa dia lavaka be avokoa ny fiainan-dramalagasy. Isaky ny faran’ny volana izao dia maro ny lavaka tsy maintsy itadiavana fanampenana eo amin’ny kitapom-bolan’ny isam-pianakaviana. Tsy fahampiana sy trosa io lavaka tiana resahina io satria tsy ampy andoavana ny hofan-trano, saram-pianarana, fanafody, saran-dalana, sakafo, sns ny karaman’ny olona iray miasa ao an-tokan-trano. Olana be saro-bahana satria sady efa ambany ny fahefa-mividy no tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Niakatra indray izao ny vidin’ny hena tamin’ity volana novambra ity. Indroa nisondrotra mihitsy izany hoy ny mpivarotra ary tsy hita izay tena antony nahatonga io fiakarana io.
Mitazam-potsiny ny fitondram-panjakana manoloana ny gaboraraka rehetra mianjady amin’ny vahoaka madinika. Manao ny ataony ireo mpaninjara solika ary tsy manaja ny lalan’ny fifaninanana eo amin’ny vidin’entana. Raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy mifaninana mampidina ny vidin’ny solika ireo orinasa misahana izany nefa ataon’izy ireo mitovy ny sarany. Mitazam-potsiny ny Fanjakana ary malemy tsy mahavita na inona na inona nefa raha any ivelany dia tena heloka sy tsikombakomba ny fanaovan’ny orinasa mpifaninana vidin’entana mitovy. Mangalatra ihany koa ny sasany amin’ireo orinasa misahana ny fifandraisan-davitra ary tsy manome fanazavana mihitsy mahakasika ny mahalany ny fahana izay nampidirin’ny mpanjifa. Dia mbola mangina ihany koa Rafanjakana manoloana izany. Manao ny ataony ny Jirama amin’ny fampiakarana ny faktiora dia mbola mipetra-potsiny ny mpitondra fa tsy mandray andraikitra. Adinon’izy ireo fa efa lavaka be no mianjady amin’ny paosin’ny vahoaka madinika vao mahavita mandoa ny vola rehetra takiana aminy noho ireny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ataon’ny orinasa matanjaka ireny.
Mba nantenain-kanirina ihany koa nefa toa vao mainka nampivandravandra ny fihetsiky ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra manoloana ny fahapotehan’ny tanàna. Nanambara mazava mantsy ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ity kaominina ity fa feno lavaka ny lalana rehetra eto an-drenivohitra saingy tsy hanamboatra izy. Sady tsy manam-bola ny kaominina no hiandry ny fahavitan’ny fahavaratra vao hanao ny asa fanampenana. Izany hoe voazona hiaina ao anaty lavaka ny vahoakan’ny renivohitra mandra-pahatapitry ny vanim-potoanan’ny orana. Any amin’ny volana jiona taona 2016 any ho any izany vao hisy ny fanamboran-dalana eto an-drenivohitra. Efa lasa sambo angamba ny fitaovam-pitaterana amin’izany.
Ravalo tsy Manana