Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Voaendrikendrika nangalatra – Zazalahy 19 taona niharan’ny herisetran’ny polisy sy ny zandary

Mitohy hatrany ny herisetran’ireo mpitandro filaminana manoloana ny olona izay sendra azy ireo. Tovolahy iray 19 taona no miady amin’ny fahafatesana amin’izao fotoana izao, any amin’ny hopitaly Besopaka ao Sambava, rehefa niharan’ny herisetran’ny polisy sy ny zandary nandritra ny famotorana azy. Miasa mandray mpanjifa ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray any amin’ny kaominina Farahalana, distrikan’i Sambava ity tovolahy ity raha voaendrikendrika nangalatra vola mitentina 3 tapitrisa ariary sy finday an’ireo mpanjifa tao.

Folaka mantsy ny tanany sy ny tongony ary raparapa be ny tarehiny nanaovan’ireo mpitandro filaminana azy. Fantatra mantsy fa notazomina tao amin’ny zandary izy avy eo nafindra teny amin’ny biraon’ny polisy natao fanadihadiana mahakasika io halatra io. Rehefa tena zohina akaiky anefa ny raharaha dia tsy io tovolahy io no nanao ny asa ratsy fa lehilahy iray hafa miara-miasa aminy tao ihany. Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ny havan’ilay tovolahy amin’izao fotoana izao manoloana ny tsy rariny nataon’ireo mpitandro filaminana ny zanany. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre