Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Sambava – Olona iray maty, telo hafa naratra

Nisesisesy ny loza nateraky ny kodiaran-droa, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, tany Sambava Centre. Olona iray no maty tsy tra-drano ary telo hafa kosa naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao.

Niseho tokony tamin’ny 9 ora alina tany ho any ity tranga ity. Môtô nanao taingin-droa sady tsy nanao aroloha ireo olona teny amboniny no mbola niromorimo tsy nisy ohatr’izany satria nikasa hisongona fiara marika Renault 4 no tra-doza. Teo am-pisongonana indrindra ilay fiara no nikasoka ny sisiny ilay kodiaran-droa ka nipitika avy hatrany izy roa teo amboniny. Noho ny dona mafy be nahazo azy roalahy dia naratra mafy ary atahorana ny ain’izy ireo. Ny iray tamin’izy ireo, izay zanaka mpandraharaha any an-toerana, voatery nalefa haingana aty amin’ny hopitaly aty an-drenivohitra, omaly maraina tamin’ny 7 ora, niaraka tamin’ny fiaramanidina mba hahazo fitsaboana sahaza azy.  Adiny roa talohan’io indray dia môtô nanao taingin-droa no tra-doza, tao Sambava Centre ihany. Fantatra fa nidona tamin’ny fiara 4L, izay nijanona teo amoron-dalana izy ity, vokatry ny fandehanana mafy hatrany. Nipitika roa metatra niala ny toerana nisehoan’ny loza ary maty teo no ho eo ilay nitondra ilay kodiaran-droa. Nanao aroloha ihany ity farany saingy tsy nahatana ny aina izany. Ilay olona nentiny kosa naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly any an-toerana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre