Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Miandrivazo – Naiditra am-ponja vonjimaika i Kohen Rivolala

Taorian’ny fihainoan’ny fampanoavana an’i Kohen Rivolala, ilay mpitondra fivavahana,  dia naiditra am-ponja vonjimaika  any Miandrivazo izy io miandry ny fotoana hitsarana azy. Tsy vitan’izany fa mbola notapahana ihany koa ny volony taorian’ny fivorian’ny Omc tany an-toerana fa mbola tsy fantatra mazava ny antony nanaovana izany. Ny feo mandeha anefa no milaza fa ao amin’io volony no misy hery hafahafa izay mahatonga ny aretina toratorana atao hoe ambalavelona mahazo ireo zazavavy any Miandrivazo, fa tsy fantatra ny fahamarinany. Ho fiarovana ny ainy, mba tsy iharan’ny fitsaram-bahoaka, no antony nampidirana azy am-ponja ary ambenana fatratra io toerana io amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, nahatratrarana zavatra hafahafa mahatonga ny ambalavelona no nitorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra azy. Ary tamin’ny fisamborana an’ity mpitondra fivavahana ity  dia mbola tratra teny aminy ireo zavatra mampiahiahy ireo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany, nihetsika avokoa ny aretin’ireo ankizivavy mpianatra nandritra ny fisamborana azy. Nampitraotra ny fokonolona izany ka nahatonga azy ireo nankeny amin’ny biraon’ny polisy nitaky ny hanaovana ny fitsaram-bahoaka.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre