Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Tanjombato – Fanaparitahana rongony, lehilahy telo voasambotra

Lehilahy miisa 3 malaza ratsy amin’ny fanaparitahana rongony, monina amin’ny tokantrano samy hafa eny Tongarivo, kaominina Tanjombato, no voasambotry ny zandary ny alakamisy lasa teo.

Ny fandrenesana fa misy olona telo lahy mampiahiahy, vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, no nahafahanan’ny mpitandro filaminana avy eny Andoharanofotsy nisambotra azy ireto rehefa nahazo fahazoan-dalana hisava ny trano fonenan’izy ireo avy tamin’ny fitsarana. Vovona rongony mitotaly 650 grama efa voafono tsara sy vonona hitadiavana mpividy no saron’ny zandary nandritra ny fisavana ny tranon’ireo telo lahy ireo.

Ankoatra izay dia mbola nisy ihany koa nafenina teny an-tanimbary mba tsy ho hitan’ny mpiara-monina. Niaiky ny heloka vitany izy telo lahy  nandritra ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.

Manoloana ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa tahaka izao dia manentana ny olona hatrany ny mpitandro filaminana mba hampandre azy ireo rehefa mahita na mahatsikaritra zavatra hafahafa mahakasika zava-mahadomelina na zavatra mampiahiahy tsotra izao entina hamongorana ireo mpanao ratsy.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre