Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ambodimita – Lasan’ny jiolahy ny 1 tapitrisa ariary

Toeram-pivarotana iray no lasibatray ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny sabotsy lasa teo, tokony tamin’ny 7ora hariva, teny Ambodimita. Vatan-dehilahy miisa 4 no nanantanteraka ny fanafihana. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fandalovan-dry zalahy teny an-toerana. Nandrahona ireo mpivarotra izy ireo ka lasa ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny fahana mitentina 140 000 ariary tao amin’ilay toeram-pivarotana.

Rangahy iray voan’ny bala

Mampihorohoro ny  manodidina amin’ny alalan’ny fanapoahana basy sy tifi-danitra indray ireo olon-dratsy rehefa miala ny toerana avy norobainy ka nahavoa lehilahy lehibe iray manodidina ny 50 taona. Voa teo amin’ny tongony ary naratra mafy ilay mpandeha an-tongotra sendra nandalo tamin’iny toerana iny. Tsy misy ahiana kosa ny ainy.

Tsapa  fa miha-mahazo vahana indray ny fanafihana toeram-pivarotana amin’izao ankatoky ny fety izao. Ary mbola manampy trotraka izany koa ny afitsok’ireo mpanao trafikana basy, izay mahafaty ireo olona izay sendran’ireo jiolahy tsy mitsitsy. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre