Mandehandeha mahita raha !
Ela ny ela ka izao vao misy fitondrana firenena iray vita am-panidinana! Tsy zoviana amintsika avy hatrany angamba ny tian-kolazaina dia ny zava-misy eo amin’ny fitantanan-draharaha eto an-tanindrazana. Tsy takona afenina intsony fa toa any ampitan’ny riaka dia efa vita sy efa ny fanapahana rehetra mikasika ity firenena malalantsika ity! Moa tsy mampahatsiahy ny angano angano sy arira arira tamin’ny andron-dry Dadabe sy Nenibe fony mbola zanatany isika! Kanefa dia efa fatam-poko, fatam-pirenena f’efa mananika ny faha-fitopolo taona izao no mahaleo tena ity firenena ity !
Koa atao akory f’izay no tapaky ny any ambony dia samy manaraka sy valalanina ny rehetra. N’inona n’inona fahamaihana eto an-toerana tsy maintsy miandry ny fiverenana an-tanindrazana ireo mpitondra mahefa vao mety misy vahaolana raha misy aza ! Ny mpisolo toerana kosa angamba tsy afaka handingana ny fepetra sy toromarika nomena azy teo am-pandraisana ny toerana vonjimaika !
Ka inona moa no ho lazaina f’izay koa angamba no heverin’ny any ambony any fa mahamety ny raharaha e ! Dia lasa miremby sy miriaria any ivelany foana no fanalan’andron’ireo mpitondra mpanapaka. Tsy iray tsy roa satria ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany dia tafiditra amin’izany vovo izany ! Tsy ny eto amintsika ihany ve izao no ahitana sy andrenesana fa olona misolo toerana no manolotra ny antsipirihan’ny Tetibolam-pirenena, eny fa na dia hoe ilay “nasiam-panovana aza !” Tena ekipa matotra kosa aloha ny fitondram-panjakana eto fa afaka mifanolo-toerana araka izay ilaina azy !
Fahazarana niainga tany aloha tany moa izy ity satria ny lehibe faratampon’ny fitondrana mihitsy no efa voan’ity fanainga lavitry ny any ampitan’ny riaka ity. Tsy andro tsy alina fa isak’izay mahatsiaro dia lasa misidina makany ivelany. Raha dinihana ambony, tarafina ambany kanefa toa tsy lasa aiza manao ahona ny vokatr’ireny dia lavareny ireny. Tena tsy mbola maharesy ny vitan’ilay tovolahy natao an’ohatra tamina boky fianarana fahiny aloha hatreto ny vitany. Asa aloha na jery maika izany na asesiky ny fahamaihana fa tena tsy tsapa miantraika amin’ny fiainana andavanandro ny vahoaka tsy mandady harona kosa aloha hatreto !
Kanefa anie tsy ny hisian’ny fanovana ve no nitana lakana raha nasiana ireo fifidianana teto ialana tamin’ny fitondran’olom-boatendry an-taonany ka heverina fa nampikatso ny fiainam-pirenena ! Tsy mety resy lahatra aloha hatreto ny mpanoratra fa nitondra dingana vaovao izany fiovam-penitra izany. Ny olona fotsiny angamba no vaovao fa ny olana sy fahavoazana ary fahoriana mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena tsy nahitam-piovana kely akory ! Toa sanatria aza hoy ny mpanatsatso toa nitondra fery hafa nampihombo ny efa nisy aza izao fitondrana izao. Dia ho sanatria ve izay no lahatra mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasan’izao fifandimbiasam-pahefana izao ?
Aleo manontanitany foana toy izay manaonao fona e ! Ny fampanantenana kosa ange tany am-piandohana nirarakompana e ! Soa aza fa tsy fiaraha-monina tandrefana isika ka hoe tsy manaiky hiaina anaty fampanantenana poak’aty ! Kanefa na dia samy tatsinana ve dia hifanararaotra toy izao ? Ny Malagasy anie malaza mahatanty lazon’ady fa rehefa mitrifana manapa-tady tsy ampoizina ! Dia izany foana ve sanatria no iainana eto ? Androany mandrava, rahampitso manangana ny ho potehina ny manaraka… dia izay foana ve ? Tena efa mankaleo sy mahatofoka kosa ny endrin-javatra toy izany amin’izao andron’ny firimorimon’ny fandrosoana izao f’isika foana no tavela eto sy mahantra lava eto !
Solo R.