Fiahiana ara-tsosialy – 15% ny tahan’ny olona misitraka ny zony
Mbola betsaka ny olona very zo amin’ny lafiny fiahiana ara-tsosialy noho ny tsy fahafantarana ireo didy aman-dalàna mifehy izany, misy ihany koa ireo izay efa mahalala nefa minia tsy mampihatra izany; ka noho izay anton’izay dia nitohy tany amin’ny Faritra Analanjirofo, tao Fenoarivo Atsinanana, ny fampiofanana ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy nandritra ny atrikasa sy fiofanana ho an’ireo Diosezy manerana ny Nosy. Satria mbola ambany ny tahan’ny olona misitraka ny zony eto Madagasikara hatreto dia manodidina ny 10 ka hatramin’ny 15% no mahazo izany.
Nosafidiana manokana hiofana ireo talen’ ny sekoly katolika mba hanatsarana ny fanabeazana sy hiatrehana ny andavan’androm-piainan’ny sekoly. Naharitra roa andro no nitondran’ireo teknisiana avy ao amin’ny Cnaps ny fampiofanana izay nanomboka ny zoma 27 novambra ary tsy nifarana raha tsy ny alatsinainy 30 novambra lasa teo. Tanjona ny hisongadinan’ny sekoly katolika manerana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanajana ny lalàna izay mitondra vokatra tsara eo amin’ny fanabeazana Katolika.