Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Lisea maoderina Ampefiloha – Hanangana foibem-pikarohana momba ny teny

1965-2015, mankalaza ny faha-50 taonan’ny ny Lisea maoderin Ampefiloha (LMA) amin’izao fotoana izao. « Namafazana-Nanabeazana-Niotazana », io ny filamatra entina hankalazana izany tsingerin-taona niorenan’ity sekoly ity. Hetsika maro no entina hanamarihana izany, ny voalohany dia ny fanomezana ny mari-boninahitra ireo mpanabe nahavita asa be indrindra tao amin’io sekoly io. Hisy ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena ny sabotsy 5 desambra ho avy izao izay iarahana amin’ireo lisea rahavavy manodidina ary faranana amin’ny dihy toy ny Zumba.

Fa tena hampiavaka  ny fankalazana dia ny hananganana ny foibem-pikarohana momba ny teny  sy ny trano mikirakira  ny informatika eny anivon’ny sekoly LMA. « Mahatratra any amin’ny 3 300 ireo mpianatra ato amin’ny LMA. Ary rehefa tonga amin’ny taona faha-11 izy ireo dia 60 isan-jato no misafidy ny literera ary ny 40 isan-jato ihany no misafidy ny siantifika ka izay anton’izay no nahatonga ny hevitra hanorina ny trano foibem-pikarohana momba ny teny izay ahitana teny japonais, indonesianina ary arabo. Mbola olana hatrehan’ny sekoly ihany koa ny tsy fahazain’ny mpianatra mikirakira ny solosaina rehefa tonga eny amin’ny taona faha-10 izay nahatonga anay hanamboatra trano fikirakirana ny informatika satria ankizy avy eny amin’ny faritra iva avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra tonga eto aminay. Mananika any amin’ny 90 tapitrisa ariary any ny tetibola tombanana hananganana ireo trano roa ireo miaraka amin’ny fitaovana rehetra ilaina ao anatiny », hoy Randrianarivo Dida, filohan’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Lisea Maoderina Ampefiloha.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre