Sambava-Andapa – Rangahy maty notetehan’ny fokonolona famaky
Voarohirohy ho jiolahy ny lehilahy iray lehibe ka nanamparan’ny vahoaka ny hatezerany, ny alahady alina, tamin’ny 8 ora tany ho any, tany amin’ny lalana anelanelan’i Sambava sy Andapa. Nandeha fiara tsy mataho-dalana io lehilahy io niaraka tamin’ireo mpiasany no nisaritahan’ny fokonolona rehefa nijanona tao amin’ny toeram-pisotroana toaka iray fa hoe olon-dratsy. Nanapa-kevitra nandositra niala tamin’izany toerana izany izy ireo. Vao niainga teo anefa izy ireo dia efa nisy nampandre ny mpitandro filaminana ka nosakanan’ireto farany rehefa nandalo ny barazy ary nosamborina avy hatrany ny telo lahy.
Nandositra avy hatrany anefa ilay lehilahy lehibe voalaza fa sefon’izy ireo taorian’izay ary tany amin’ny barazy faha-3 vao tratra. Nikasa mbola handositra dia novakiany indray izany barazy izany ka nifatratra tany amin’ny tranon’ny olona ary nanitsaka zazakely. Nampiakatra ny hatezeran’ny fokonolona izany ka nampiharan’ireto farany ny fitsaram-bahoaka. Notetehan’izy ireo famaky ilay rangahy ka maty tsy tra-drano. Marihina fa dadatoan’ilay tovolahy namono nahafaty olona tany Sambava vao tsy ela izay nangatahan’ny fokonolona hanaovana fitsaram-bahoaka ity lehilahy maty ity. Tsy fantatra mazava kosa na misy hifandraisana na tsia ity raharaha roa ity.
Laurena Nany