Toamasina – Zaza roa novonoin’ny mpamosavy tao amin’ny hopitaly
Nisy mpamosavy tafiditra tao amin’ny “service pédiatrie” ao amin’ny hopitaly Be, any Toamasina, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Mody manao fizahana ireo ankizy kely marary na vao teraka ilay mpamosavy nefa tetika hanalana aina ireo zaza tsy manan-tsiny izany. Tsy fantatra ihany koa ny manavaka azy amin’ireo mpianatra ho mpitsabo noho izy manao aron’akanjo mitovy.
Voafitaka tanteraka ireo mpitondra marary na ireo mpiandry marary noho izany. Zaza roa no maty lasibatr’ity mpamosavy ity, ny alin’io zoma 27 novambra hifoha ny sabotsy 28 novambra io. Ny iray zaza 11 taona raha zaza vao teraka kosa ny iray. « Mody teritereny ny kibon’ilay zaza marary dia tsofiny ny vava avy eo ary somary aroniny kely ny ati-vava, efa miala eo izy vao maty ilay zaza », araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Taitra ny ray aman-dreny sy mpitondra marary, ka nampilaza ny zava-misy tamin’ireo mpianatra ho mpitsabo. Natao ny fanenjehana saingy tsy tratra intsony ity ramatoa mpamosavy ity. Maintimainty somary lava volo izy, raha ny fanampim-panazavana voaray ny marainan’ny alatsinainy 30 desambra teo. Miteraka tebibety amin’ireo ray aman-dreny manana zaza manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Be any Toamasina, ity tranga niseho tao amin’ny hopitalin-jazakely ity amin’izao fotoana izao.
Laurena Nany