Vahoaka farahidiny
Orana kely tsy naharitra 5 minitra akory dia efa niteraka savorovoro goavana teo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina omaly. Nitohana be ny fifamoivoizana ary tapaka avy hatrany ny herinaratra. Tsy nisy fanazavana avy amin’ny Jirama fa dia fahatapahana toy ny mahazatra izay efa tsy mahataitra ny mpanjifa intsony. Tsy mety mahita vahaolana mihitsy ny Fanjakana amin’ity olan’ny Jirama ity satria na eo aza ny fampanantenana sy ny fireharehana fa nisy ny zava-bita sy ny gropy vaovao dia tsy mahavaha olana tanteraka izany.
Matoa miteraka korontana marobe ny orana kely toy ireny dia tsizarizary ny foto-drafitr’asa tokony hisorohana izany. Feno lavaka ny lalana eto an-drenivohitra ary vao misy rano kely fotsiny dia efa manahirana ny mpitondra fiara ka izay no mahatonga ny fitohanana. Ny mpitantana ny kaominina rahateo efa nilaza fa tsy hanamboatra sy tsy hanampina ireny lavaka ireny satria sady tsy manam-bola no ho simba fotsiny izay asa atao eo raha mbola ato anatin’ny vanim-potoanan’ny orana izay tsy hifarana raha tsy ny volana mey 2016 any ho any.
Izany hoe tsy maintsy miaritra ny mafy ny vahoakan’ny renivohitra satria tsy misy mpiahy sy mpitsinjo intsony fa mifanilika andraikitra ny samy manam-pahefana. Tsy izany anefa no nifanarahana hatrany amin’ny fampielezan-kevitra fa nilaza ho mahavitra ny ben’ny tanàna ankehitriny. Nilaza ho mahavita toa azy ihany koa ny Filoham-pirenena. Izao samy miala andraikitra sy mialangalana ary mifampiandry fotsiny. Raha ny tokony ho izy, tsy maintsy miara-miasa ho fampandrosoana ny renivohitra ny Fanjakana foibe sy ny mpitantana ny kaominina saingy tsy izay no misy fa mifanipaka toa valala an-karona. Samy tia tena ary samy miseho azy tsy ho refesi-mandidy ary lasa fanoto sy laona miady ka ny vary tsy manan-tsiny no potika.
Ankoatra ny orana, ny tsy fifehezana ny tsena sy ny mpivarotra tsy ara-dalàna no mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Nomen’ny kaominina alalana hanapaka ny lalana ao Analakely mantsy ireo mpivarotra mandra-pahatapitra ny taona. Mody lazaina fa ho fitsinjovana ireo mpivarotra mba hahita vola mandritra ny fety no anton’izany nefa hita mazava fa ny tsy fananan’ny kaominina vola hanatanterahana asa fanarenana ny foto-drafitr’asa eto an-drenivohitra. Zara aza misy ireo mpivarotra mba manakotakona ny fahasimbana sy ny haratsin’ny tanàna. Karazan’ny nanao fampanantenana poak’aty ihany ny ben’ny tanàna ankehitriny satria ireo mpifidy azy dia nihevitra fa vitany ao anatin’ny fotoana fohy ny fanatsarana ny tanàna. Tsy izay anefa no mitranga satria na ny ekipa hiasa ao anatin’ny kaominina aza dia mbola manahirana ny manangana azy. Olom-bitsy izay sady tsy mamim-bahoaka no tsy mamy hoditra eo anivon’ny antoko Tim no manjakazaka sy miseho azy ho tompon’ny lakile ao amin’ny Lapan’ny tanàna ao.
Tena farahidiny ny vahoakan’Iarivo satria ny nantenain-kanirina indray no nampivandravandra. Raha ny tokony ho izy dia nanao fanambarana tamin’ny vahoaka mikasika ny zava-misy marina eo anivon’ny kaominina ny ben’ny tananan’Antananarivo renivohitra fa tsy manankina ny raharaha fotsiny amin’ireo mpiara-miasa akaiky izay tsy voafidim-bahoaka. Ny ben’ny tanàna mantsy no nampanantena tamin’ny vahoaka ary izy irery ihany no tompon’andraikitra. Tsy mila mpitondra teny na ihany koa tale sy sekretera ny vahoakan’Antananarivo rehefa misy tatitra tian’ny ao amin’ny kaominina ampitaina fa teny mivoaka mivantana amin’ny vavan’ny ben’ny tanàna no andrasan’ny rehetra satria io no olom-boafidy. Hatreto aloha dia tsy sahy miatrika mpanao gazety loatra ny ben’ny tanàna ary sarotra ho an’ny mpampahalala vaovao ny maka vaovao mivantana avy aminy. Toa midika ho fanohintohinana ny zon’ny vahoaka hahalala ny mangarahara anefa izany fihetsika izany. Farahidiny ny vahoaka satria sady efa tsy mahazo asa fampandrosoana no mbola hanafenana ny zava-misy ihany koa.
Ravalo tsy Manana