Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

« Salon du jeu et du jouet » – Hetsika natokana ho an’ny ankizy

Amin’ny 5 sy 6 desambra ho avy izao indray ny andiany faharoa amin’ny hetsika « salon du jeu et du jouet » izay karakarain’ny Okalou sy Ecrea Event, eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola. Fotoana izay natokana ho an’ireo ankizy kely sy adolatsento natao hialana voly amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy izao. Toy ny tamin’ny taon-dasa dia maro ny hetsika ho hita anatin’ireo roa andro ireo ka anisan’izany ny fampisehoana, ny « parades » isaky ny antsasakadina, ny trano heva isan-karazana izay ahitana ny « manèges », ny « auto-tamponneuses », ny « cinéma XD » ary ny maro hafa. Mba hanomezana fahafaham-po ireo zaza ho tonga any amin’ny Batou Beach dia nanapa-kevitra ireo mpikarakara ny lanonana tamin’ity indray mitoraka ity hanantanteraka fampisehoana atao amin’ny alina sy ny kilalao anaty fotaka ho an’ireo adolantsento. Hisy ihany koa ny trano fisakafoanana natokana ho an’ireo mpiala voly. « Ity roa andro ity dia natokana ho andro fialam-boly miavaka amin’izay efa hita hatramin’izay, natokana ho fotoana handihizana sy hilalaovana tsotra izao », hoy i Lala Disaine, mpikarakara ny hetsika « salon du jeu et du jouet ».

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre