« Tao To » – Fijery sy fiasa vaovao ho an’i Madagasikara
Teraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fikambanana « Tao To » na « pôle de développement », izay sehatra iaraha-mamoron-kevitra ivondronan’ny olom-pirenena mahalala tsara ny sehatr’asa iasany sy ny faritra niaviany. Ny « Tao To » dia manolotra fijery sy fiasa vaovao izay mikendry tombontsoa ho an’ny daholo be. Fanorenana vaovao zavatra mbola tsy nisy teto Madagasikara ny tanjona. Tafiditra ao anatin’izany ny famerenana ny tontolo iainana maintso voahary, ny fisivanana ny fako sy ny fanodinana azy ho herin’angôvo mihavao hatrany, ny famoronana asa tana-maro sy ny maro hafa. Marihina fa fandaharan’asa ny Tao To ka vonona hiara hiasa amin’ireo fanjakana sy orinasa tsy miankina rehetra hitondra vahaolana ho famelomana indray ny firenena eo anatrehan’ny fahasahiranan’ny tontolom-pihariantsika anjakan’ny vahiny, ny fahantrana mihamihombo eo amin’ny isan-tokantranon’ny malagasy, ny fikororosin’ny tanàn-dehibe. Mbola mametraka rafi-pifamoivoizana an-tanàn-dehibe ho an’ny rehetra ihany koa ny Tao To.
L.N