Ambatondrazaka – Notafihan’ny jiolahy ny mpamongady « Airtel money »
Nitrangana fanafihana andian-jiolahy indray tany an-tampon-tananan’Ambatondrazaka ny faran’ny volana novambra, tamin’ny 2ora maraina tany ho any, tao Madiotsifafana. Vatan-dehilahy miisa 3 nirongo zava-maranitra no nanafika ny mpamongady « Airtel money » tany an-toerana.
Nopitsohin’ireo olon-dratsy tamin’ny baramina ny varavarana mba ahafahan’izy ireo miditra am-pilaminana tao an-toerana. Tsikaritry ny mpiambina anefa izany ka niezaka nanohitra izy saingy tratran’ny be noho vitsy ka izy indray avy eo no naratra mafy. Tsy nisalasala fa avy hatrany dia notsatohan’ireo jiolahy ny baramina teo amin’ny feny. Tsy afaka nanohitra intsony dia moramora tamin’ireo jiolahy no nandroba ny entana sy ny vola tao. Lasa tamin’izay fotoana izay ny vola mitentina 400 000 ariary sy solosaina ary kamera manaramaso io toerana io.
Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia lasa nandositra tahaka ny tsy teo ireo olon-dratsy. Niantso vonjy kosa ilay mpiambina ka ora iray taty aoriana vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ny toerana. Tamin’ny fanadihadiana natao ilay mpiambina anefa dia ahiahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy izy io. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
L.N