Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Farafangana – Ireo mpiandry fonja no mamoaka ireo gadra hanafika

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana tany Farafangana manoloana ny fahavakisan’ny tranon’ny zandary kilasy faharoa tany an-toerana, ny volana jolay lasa teo, dia ahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin’ireo voafonja ny mpiandry azy ireo. Naheno vaovao ny avy eo anivon’ny zandarimaria vao tsy ela izay amin’ny mety fisian’ireo entana halatra any an-tokantranon’ireo mpiandry fonja ireo. Natao noho izany ny fisavana ary tena hita tao tokoa ny sasany tamin’ireo entana very ary rehefa nandeha ny famotorana dia fantatra fa gadra iray antsoina hoe Liva hatramin’izao any Farafangana no nitondra ireo entana ireo tao aminy. Tsy nijanona teo ny fanadihadiana fa nitohy tany amin’ny vadin’io Liva io ary tamin’izany indray no nilazan’ity farany fa any amin’ny mpiandry fonja iray hafa ny basy kalachnikov an’io zandary kilasy faharoa izay very nandritra ny famakiana ny tranony ary milevina ao an-tokontaniny ao.

Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana ka sarona tao ilay basy sy famahana izay tsy nisy bala intsony. Manoloana ity toe-javatra ity dia fantatra amin’ izao fotoana izao fa ireo mpiandry fonja ihany no mamoaka ireo gadra ireo mandeha manantanteraka ny asa ratsy ary mampirongatra ny halatra  any an-toerana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre