Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Lalao maloto !

Manomboka anio izany ny fifandresehan-dahatra eo amin’ireo mpifidy vaventy mahakasika ny fifidianana loholona eto amin’ny firenena. Ity fifidianana iray ity aloha izany dia tsy misy idiran’ny vahoaka mihitsy fa ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna izay voafidy vao  tsy ela akory izay no handray anjara amin’izany. Dia mazava araka izay ihany koa fa tsy ho eny ankalamanjana amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka no ahitana izany fifandresen-dahatra izany, toy ny mahazatra ny maro. Misy tokoa izany ny « propagandy » saingy any ambadibadika any ary mety hisitrisitrika mihitsy aza. Araka izany dia mety alohan’ny latsa-bato mihitsy aza dia efa fantatra ny vokatra ary afaka manao “arrosage” ny kandidà mihevi-tena fa tafita na dia mbola tsy tafavoaka ny ala aza.

Tranga tsy azo ihodivirana io satria maro ny antony. Ny voalohany dia vao avy nanao fifidianana isika tamin’ny faran’ny volana jolay lasa teo. Fifidianana izay nandraisan’ny rehetra anjara izany, izany hoe ireo izay feno 18 taona tsy mbola very zo. Nisy ny mpanara-maso marobe, na avy amin’ny firaisa-monim-pirenena, na avy any ampita, ankoatra ny olom-pirenena tsotra izay naniry ny hijery akaiky ny fizotrany. Nialoha izany fifidianana izany dia efa maro sesehena ny fanakianana momba ny tsy fahalavorarian’ny fandaminana rehetra. Tao ohatra ny lisitra sadasada ka na iray fonenana izao aza ny mpianakavy dia misy ny voasoratra ao, ary misy koa ny latsaka, kanefa dia noferana mafy ny vahoaka fa tsy azo atao intsony ny manampy anarana anatin’izany lisitra izany. Kanjo nony tonga ny andro fifidianana dia azo nokitihina indray ilay lisitra ary dia ireo mpomba ny fitondrana dia nanao izay danin’ny kibony mihitsy amin’ny famenoana azy. Rehefa nivoaka indray ny vokatra dia tsy nitovy ny isan’ny mpandatsa-bato sy ny isan’ny vato nalatsaka. Loza izany! Ity farany no be dia be ka dia nampiteny ny moana mihitsy.
Raha bangoina dia zavon-tany ny fitarainana voarain’ny mpitsara ny lalao ary tsy mbola nisy fifidianana teto amin’ity nosy malalantsika ity ka nahabe fanakianana toy izay. Nialoha, nandritra ary taorian’ity fifidiananana ity dia toy ny rano misasasasa ny fisian’ireo fitoriana ireo ary amin’izao fotoana hifaranan’ny taona izao, izany hoe 5 volana izay, dia mbola mandinika izany foana ny fitsarana. Ankehitriny anefa dia hiroso amin’ny fifidianana hafa indray izany isika, izany hoe ny eo tsy afaka, kanefa ny hafa asisika ihany. Ekena tokoa fa tsy ny rehetra, araka ny voalaza etsy ambony, no antsoina fa zara raha misy ny an’arivony vitsivitsy mihoatra ny mponina 22 tapitrisa. Ekena ihany koa fa mety ho moramora kokoa ny fikarakarana kanefa dia efa mipoitra sahady ihany koa ny fanakianana marobe, tsy avy amin’ny firaisa-monim-pirenena ihany fa eo ihany koa ny avy amin’ny solombavambahoaka sy ny olom-boafidy ary ny mpanao gazety maro samihafa. Nisy mihitsy aza ny filazana fa ilay rafitra mpikarakara ny fifidianana dia mitongilana tanteraka any amin’ny fitondrana. Saingy mazava fa tsy afaka hanao na inona na inona ity rafitra vaovao ity satria ny vola iasana aza mbola andrasany any amin’ny mpitondra ankehitriny. Ka amin’inona tokoa moa no mahaleo tena ka raha izany no izy no sady fomban’ireo vao mahazo toerana ihany koa ange ny tsy miady amin’ny mpandoa-bary e!
Etsy andaniny ihany koa dia miharihary loatra ny fampiasana ny fahefam-panjakana toy ny fampiantsoana ireo mpifidy vaventy ataon’ny manam-pahefana, eny fa na dia vitsy dia vitsy azo tsidihana tsirairay any an-tranony aza ireto farany. Fomba anankiray izay nanehoana imason’ny vahoaka iray manontolo hoe: iza tokoa no tompon’ny lakile? Tsy misy intsony izany henatra ary dia variana hatramin’ ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’izao kilalao maloto ataon’ny mpitondra ankehitriny.

Jean Luc RAHAGA

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre