Fihaonam-be ny zatovavy mpitarika – Vinavina ny hanangana Parlemantera ny tanora
Nanomboka omaly 7 desambra ary tsy hifarana raha tsy ny zoma 11 desambra ho avy izao, eny amin’ny Panorama, ny fihaonam-be ny zatovavy mpitarika na ny « National girl leadership summit », hivondranan’ireo tanora vehivavy 15 hatramin’ny 19 taona avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara, izay karakarain’ny « Youth first ». Tovovavy miisa 88, izay ahitana solontena efatra isam-paritra no tonga manatrika ity fihaonana ity. Ao anatin’io dimy andro io no fotoana natokana ilazan’ireto tanora ny olana hatrehan’izy ireo any amin’ny faritra niaviany tsirairay avy sy ny faneriterena mahazo azy. Tafiditra ao anatin’izany ny olana ara-kolontsaina sy ny momba ny ara-sosialy ary ny ara-toekarena.
« Ny fihaonam-be ny zatovavy mpitarika dia fotoana natao hanomezana sehatra ny tanora hiteny, hamolavola tetikasa satria olana eto Madagasikara ny tsy fahafahan’izy ireo manapa-kevitra. Hisy ny fanomezam-pahalalana, ny fifanakalozana ary ny fifamindrana traikefa ho an’ireo tanora efa manana izany ao anatin’ny 5 andro. Aorian’ity fotoana ity kosa dia hiantsorahana mandritra ny 2 taona ny tetikasan’ireo tanora ireo any amin’ny faritra misy azy », hoy i Maminiaina Randrianirina, mpandrindra ny Youth first.
Hisy ny fihaonanan’ireo tanora amin’ireo solombavambahoaka avy amin’ny faritra niaviany avy, izay dingana iray natao hitafatafana ahafahany misehatra, ampisehoany ny fomba fijeriny, amin’ny zoma izao. Ny tanjona ny hananganana Parlemantera ny tanora. « Antony nandraisako anjara amin’ity fihaonana ity dia manana tetikasa aho ho an’ireo tanora mitovy ahy izay mirona any amin’ny fivarotan-tena any amin’ny Faritra misy ahy. Simba ny ho avin’ireo tanora ireo ary te-hitarika azy ireo hanana fitondran-tena tsara ny tanjoko », hoy i Lea 14 taona, avy any Matsiatra Ambony.
L.N