Finday – Mitohy ny fisolokiana ataon’ireo olon-dratsy
Raha nangingina ny fisolokiana amin’ny alalan’ny finday teo aloha teo dia niverina indray izany amin’izao fotoana izao. Tovolahy iray no naharay hafatra fohy tamin’ny sabotsy teo, avy amin’ny laharana ao amin’ny « Airtel », milaza fa nahazo fiara 4×4 marika Nissan avy amin’ny orinasa Vanilla any Andapa. Mba hanaterana izany any an-tranony sy hikarakarana ny taratasin’ilay fiara anefa dia nasaina nandefa vola 120 000 ariary amin’ny laharana iray omen’ireo mpisoloky ny lasibatra na miantso avy hatrany io laharana io raha mila fanazavana fanampiny. Rehefa nantsoina tokoa io laharana io dia misy olona mandray izay nanazava sy nanome torimarika amin’ny fomba angalana ny loka sandoka. Efa mailo anefa dia tsy nijanona teo ilay tovolahy fa niantso olom-pantany monina tany Andapa ary rehefa nanadihady dia fantatra fa tsy misy akory io orinasa Vanilla io.
Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2015 ity dia efa maro no voafitak’ireo mpisoloky ireo ary ireo orinasa lehibe na tranombarotra any amoron-tsiraka foana no lazaina fa mizara ny loka. Isan’ny voalaza matetika ny orinasa Soalala, Aquamas, Soavanio ary ny tranom-barotra any Nosy Be.Tsikaritra ihany koa fa toerana sarotra ho an’ny olona avokoa ireo lazaina ireo ary ireny entana mampilendalenda ireny no lazaina fa azo matetika. Fiara 4×4 lafo vidy, fitaovana ao an-tokantrano.
Laurena Nany