Tolotra asa – Tanora miisa 5 indray voasoloky tany Toamasina
Mitady hahazo vahana indray ny fisolokiana amin’ny fanomezana asa any Toamasina.
Amin’izao fotoana izao dia maro ireo karazam-pikambanana mipoitra ary milaza fa manana tolotra asa maro any an-toerana. Tsy vitsy ihany koa ireo olona roboka amin’izany, indrindra ireo tanora vao nahavita fianarana izay mitady asa. Ny sabotsy 5 desambra lasa teo dia tovolahy miisa 5 no lasibatra, tao Morarano. Araka ny loharanom-baovao dia nahita ireny peta-drindrina milaza fisian’ny asa ho aty an-drenivohitra ireny ireo tanora ka niantso ilay laharana finday nisoratra tamin’izany filazana izany ary nifanome fotoana tamin’ilay olona nandray ny antso ny sabotsy.
Nandritra ny fihaonana dia antontan-taratasy roa no notakian’ilay rangahy mpisoloky dia ny “CV sy ny lettre de motivation” ary vola 40 000 ariary isan’olona. Karazana asa maromaro ihany koa no lazainy fa misy ka anisan’izany ny mpamily sy ny “magasinier”. Ny ampitson’io ihany, izany hoe ny alahady maraina no nambarany fa efa miakatra aty Antananarivo ireo tanora mandray ny asany avy hatrany ka nomeny fotoana tamin’ny kaoperativa iray ao amin’ny fiantsonanan’ny taksiborosy any an-toerana izy dimy lahy. Nony tonga anefa ny fotoana nifanomezana dia tsy nipoitra mihitsy ilay rangahy ary raha nantsoina ny laharan’ny findainy, tsy mandeha intsony.
Raha tsiahivina dia tovovavy iray 23 taona, no sarona nisoloky fa mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina vao tsy ela izay.
Laurena Nany