Tsy fanjarian-tsakafo – 50 isan-jaton’ny zaza latsaka ny 5 taona no tratrany
Ny 50 isan-jaton’ny zaza latsaka ny 5 taona no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara nefa manana toerana lehibe natao hiarovana ny fahafatesana sy ny aretina mahazo ny zaza ny firenentsika. Ny antony mahatonga izany ny fanalana nono ny zaza aloha loatra raha toa ka 2 taona no mihaotra ny zaza no tokony hiala nono. Araka ny tatitra voaray dia 98 isan-jaton’ny reny ihany no mampinono ny zanany eto Madagasikara noho ny fitarihan’ny mponina na namana na dokam-barotra. Matetika ary dia ireo reny manana anton’asa no misafidy ny tsy mampinono ny zanany noho ny tahotra sao esorina amin’ny asany, kanefa ny nono no antoka amin’ny ho avin’ny zaza iray. Mba iadiana amin’izay tsy fanjarian-tsakafo izay dia tanterahina mandritra ity herinandro ity ny « Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny » ka ny lohahevitra amin’izany, « Ny fampinonoan-dreny sy ny asa : azo ampiarahana tsara ! »
Nampahafantarina omaly nandritra ny loha-bary andasy notanterahina niaraka tamin’ireo reny, teny amin’ny Institut national de santé publique et communautaire (Inspc), fa azo ampiarahana tsara ny fampinonoana sy ny asa ahahafan’ireo reny miasa am-pilaminana sy fampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza. « Tombontsoa ho any mpampiasa ny fanomezan-dalana ny reny hampinono ny zanany eny amin’ny toeram-piasana satria rehefa mahita ny zanany sy mampinono azy eo ny reny dia afaka miasa tsara. Raha mieritreritra ny zanany mantsy izy rehefa mandotso ny nonony dia hikorontana ny sainy ary hisy fiantraikany amin’ny asany izany. Noho izany dia tokony asiana sakaizan’ny zaza ao am-piasana, toerana iray ahafahan’ireo reny mampinono », hoy ny Dr Andriarimasy Harijaona Arnel, lehiben’ny sampan-draharahan’ny fanjarian-tsakafo eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
L.N