Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Fisolokiana mankany ivelany – Mpivady teratany vahiny no atidoha

Ny sabotsy lasa teo, teratany vahiny roa izay marihana fa mpivady no nosamborin’ny polisy miandraikitra ny fanaraha-maso ny sisin-tany etsy Anosy. Naharay fitarainana momba ny resaka fisolokiana nataon’ireto mpivady moa izy ireo koa nandritra izany no nanaovana ny fisamborana. Marihina fa dia vahiny ihany koa ireo olona voasoloky izay misy avy any Bangladesh sy avy any Brunei. Fanorenam-ponenana any Eropa moa no entin’ireto mpivady ireto mambabo ny fon’ireo olona nefa dia fangalana vola fotsiny ihany izany. Satria eto Madagasikara no misy azy mivady ireto dia tsy maintsy mandalo eto aloha ireo teratany vahiny ireo vao alefa makany Eropa, raha ny filazan’ireo mpitory. Fantatra ihany koa fa tsy mila mikarakara na inona na inona fa dia izy ireo no manao ny taratasy rehetra, ny fitanterana ary ny fampiantranoana eto an-toerana. Vola manodidina ny 6 000 dolara kosa anefa no tambin’ireo rehetra ireo. Hatreto dia olona 9 no fantatra fa efa voasoloky ary tsy mbola nisy fandehanana tany Eropa na indray mandeha aza. Voalaza fa arirariran’izy mivady ireo olona ireo ka andrasany izay hahalany ny “visa de séjour”-n’izy ireo mba hivereny any amin’ny tany niaviany.  Tamin’ny fanadihadiana an’ireto mpivady teratany vahiny ireto dia nilaza izy ireo fa misy lehilahy iray any Brunei miara-miasa amin’izy ireo amin’izao asa ratsy izao. Nambaran’izy ireo ihany koa fa rehefa vola be no raisiny dia alefany any amin’ny banky any ivelany aloha vao alefa eto Madagasikara. Izy roa ireto moa dia tsy mijanona firy eto fa mivezivezy mankany Kaomaoro sy Seychelles.

Njara Fih

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre