Tsy ankiteniteny
Hatramin’ny niatombohan’ity taona ity dia tsy nitsaha-niteny ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ny amin’ny hitsaharan’ireo tranga rehetra mety ampitombo ny olana eo amin’ny fiaraha-monina. Niezaka hatrany izy ireo ny nandambolambo ny olom-pirenena tsirairay tamin’ny alalan’ireo hetsika isan-karazany, izay maro amin’ny malagasy no tsy nahita tombony hatreto. Ny mifanohitra amin’izany aza no nitranga satria raha nandinika ireo mpanara-maso ny fiainam-pirenena dia nahita fa miha-mivelatra ny elanelana misy eo amin’ny sokajin’olona mahantra sy ny manan-katao. Ary manampy izany, tsy menatra akory ny sasany milaza fa efa nivoatra ny fiainana nandritra izay fotoana nitondrany izay. Nivoatra tokoa angamba fa tsy tany amin’ilay noeritreretin’ny besinimaro sy ireo malagasy tsy mandady harona.
Ny mpitondra ankehitriny aloha dia tsy sasatra mihitsy ny manambara fa ilaina ny fivoahana any ampitan-dranomasina mba hitadiavana ireo fanampiana isan-karazany, izay ilain’ny firenena amin’ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny rehetra. Kanefa tsy vitsy no tonga saina ankehitriny ny amin’ireo harena izay efa eto an-toerana fa tangosan’ireo izay heverina fa hanampy fotsiny. Raha ny antontan’isa izay efa navoaka mahakasika ireo harena an-kibon’ny tany nivoaka antsokosoko teto amin’ny tany malagasy angamba dia efa tsy antonona intsony ny toby fitehirizana izany. Manginy fotsiny ireo izay mbola tsy voatrandraka kanefa jerem-potsiny noho ny firaviravian-tanan’ireo tompon’andraikitra voalohany. Eny fa na ny ezaka ataon’ireo fikambanana sasantsasany aza ny amin’ny hitakiana ireo nosy kely Eparses ireo dia tsy nahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpitondra na dia iray akory aza. Asa angamba mety hoe misy tokoa ny fifanarahana tany ambadimbadika tany matoa izy ireo tsy mitranga amin’ny mazava rehefa misy ny fitakiana ny tombontsoam-bahoaka !
Hatreto aloha dia ny tombontsoan’izy ireo no hita mibaribary satria raha miaina anaty fahoriana tanteraka ny vahoaka, izy ireo kosa mahita fa mandeha tsara ny fiainam-pirenena. Ny vahoaka miaina anaty aizina isan’andro noho ny fahatapahan-jiro, ry zareo manana ny ampy entina andresena izany raha toa ka tojo ny delestazy eny amin’ny faritra misy azy. Ny vahoaka miferitr’aina amin’ny haratsin’ny lalàna sy ny fitohanan’ny fiara aterak’izany, ry zareo sady manana fiara tsy mataho-dalàna (4X4) no sady manana kiririoka mpisava lalàna rehefa sendran’ny « embouteillage » nefa mila manenjika fotoana, sns. Ingahy filoha amin’io manao tsidi-pahitra ny firenena ary mahita dia ho aleha foana, hatramin’ny fitokanana paompy any amin’ny faritra aza, nefa ny eto an-drenivohitra tsy hitany akory ny fahatapahan-drano eny amin’ny fokontany sasany.
Ireo mpiasa mitaky ny zony moa dia efa zatra maheno ny fialan-tsiny lava ny amin’ny tsy fisian’ny vola ao amin’ny “caisse”n’ny fanjakana, kanefa ireo mpitondra tsy mitsitsy mihitsy amin’ny fandaniana fa hoe asa no atao, kanefa dia volam-bahoaka no entiny any. Raha ny farany teo ary moa dia nahatsikaritra hatramin’ny vahiny ny amin’ny fanararaotana nisy teo amin’ny delegasiona nandeha tany amin’ny COP21. Hatramin’izay moa tsy fatatry ny ankamaroan’ny malagasy ireo olona manara-dia ny tompon’andraikitra voalohany amin’ireny « mission » any ivelany ireny. Ireo hany miseho rahateo moa dia izay tokony handeha ihany fa ny hafa manaraka mitsaitsaika avy ato aoriana, ary raha azony natao aza ny nandeha amin’ny alina mba tsy hisy hahita dia nataony izany. Efa zatra miaina ao anaty maizina ny olona hany ka tsy mahagaga intsony ny mahita tranga hafahafa miseho aty aoriana. Amin’izao fotoana izao dia nanomboka ny fampielezan-kevitra eny anivon’ireo mpifidy vaventy ho amin’ny fifidianana loholona amin’ny 29 desambra 2015. Amin’ny maha fifidianana natokana ho an’ny mpifidy vaventy azy izay dia tsy mahafantatra izay miseho any amin’ny fifandresen-dahatra any indray izany aloha ny Malagasy tsotra fa rehefa mivoaka ny valim-pifidianana ka misy ny tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy dia eo vao hiseho indray ny nafenina rehetra. Ny sasany hanao ampamoaka, ary ny sasany kosa hivadika amin’ny teny nomeny, hany ka hipoitra avokoa ireo fifanarahana natao tao amin’ny maizina, ka na ireo mpanao politika miezaka ny mandeha amin’ny rariny sy hitsiny aza dia voasoketa miaraka ao daholo. Eo imason’ny vahoaka dia maizina avokoa rehefa idiran’ny mpanao politika.
Mia