Antsahalovana-Antohomadinika – Trano 45 tafo kila hotohoton’ny afo
Nisehoana haintrano mahatsiravina indray teny Antsahalovana-Antohomadinika, omaly maraina, tokony tamin’ny 1 ora sy sasany tany ho any. Firehetana avy ao amin’ny trano fivarotana lasopy no niandohan’ny afo. Nahandro lasopy amidy vao maraina izy ireo no nisy vain’afo nipitipitika ary efa afo niredareda no nanaitra azy ireo. Niezaka namono ny afo ny tao an-trano fa noho izy trano hazo dia tsy voatana ny fiparitahanan’izany ka niitatra tamin’ireo trano miisa 45 mifanila-bodirindrana aminy izay vita amin’ny hazo avokoa ny 42. Tsy nisy azo noraisiny ny entana noho izany fa kila forehitra tanteraka. May tamin’izany ihany koa ny biby fiompy rehetra. Vokany, olona 199 no tsy manan-kialofana eny Antsahalovana Antohomadinika. « Tao amin’ny trano hazo tao afovoany izay mpanao lasopy no niandohan’ny afo. Tsy nahatsikaritra ny firehetana ny olona manodidina raha tsy izy ireo efa nitabataba niantso vonjy satria tena tao anaty torimaso lalina avokoa ny olona. Afo efa niredareda no nifamonjen’ny fokonolona novonoina ary noho ny fitsokan’ny rivotra sy ny tsy fisian’ny fitaovana ary ny rano, tao antin’ny fotoana fohy dia fohy no niitatra nahazo ireo trano manodidina ny afo », hoy ny fanazavan’i Heriniaina Razanandrakoto, sefo fokontany eny an-toerana.
Laurena Nany