Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Betroka – « Ny kolikoly sy ny faneriterena no mampirongatra ny asan-dahalo »

Tsy vao izao fa efa hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena no efa nisy ny dahalo tany amin’iny faritra atsimon’ ny Nosy iny ary amin’izao Repoblika fahaefatra izao dia toa miha-mirongatra izany, hany ka tsy voafehin’ireo mpitandro filaminana intsony. Raha ho an’i Betroka anefa dia ny olom-panjakana no mampirongatra izany, araka ny fanazavan-dRaholinarivo Solonavalona Paolo Emilio, Admnistratera sivily ary efa sefo distrikan’i Betroka teo aloha. Efa lasa tamba-jotra ireo dahalo ka ny vahaolana dia ny fanaovana tsara ambina ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany ireo ihany.

 

Lasa tamba-jotra ireo dahalo

 Misy foana ny dahalo satria efa lasa tamba-jotra izy io, ary mbola matanjaka noho ireo jihadista mpanao fampihorohoroana any ivelany. Satria aho teraka tany Atsimo, dia fantatro tsara ny mahatonga ny asan-dahalo. Ny antony dia misy filàna omby eto an-toerana sy any ivelany izay mampitombo ny fanondranana. Betsaka mihitsy ireo olona eto Madagasikara fa indrindra any Betroka no lasa manan-karena amin’io fitadiavam-bola io hatramin’izay ka hatramin’izao, ka izay anton’izay no mbola mampisy ny halatr’omby. Eo ihany koa ny fisian’ny ramatahora ataon’ireo olona ambony ireo olona tratra mangalatra omby.

 

Hampangalarina ireo olona

Ny foko Bara tsy nateraka ho dahalo fa hampangalarin’ireo tompon’andraikitra isan’ambarantongany  ny olona. « Antsoina ireo mpanao dabokandro ary asaina mitondra vola be mahatratra any amin’ny 80 tapitrisa ariary any na omby maro an’alina ka rehefa tsy manana an’izany dia voatery asaina manao fanafihana. Lasa ireo olona ireo avy eo mitady olona horobaina ary raha tsy mahita kosa  dia ny tanimbariny no alaina an-keriny tsotra izao », hoy Emilio Paolo. Ireo mpitandro filaminana no tena fositra satria mamahana lalitra ireo mpitondra.

Fantatra ihany koa fa manao « fausse piste » ny mpitandro filaminana mandritra ny fanarahan-dia tanterahan’izy ireo. Tsy vitan’izay ihany fa atolaka amin’ny olona tsy manan-tsiny ny hadisoana, hany ka, mangatsiatsiaka foana izy ireo. Sombiny ihany izany, araka ny filazany hatrany, fa maro be ny zavatra ratsy ataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana satria tsy voambina tsara izy ireo.

 

« Nankaiza avokoa ireo omby very ireo? »

Nankaiza daholo ireo omby aman’alina sy an-tapitrisany very ireo ? Io kosa ny fanontaniana napetrak’I Emilio Paolo. Tsy mitombina ny filazana fa tsy hita ny nanjavonan’ireo omby maro be very ireo. Tsy tena dahalo indray, hoy izy, ireo vonoina ireo fa raha tsy izany dia efa lany tamingana izy ireo.

 

Tsy mitombina ny filazana fa tsy ampy ny mpitandro filaminana

Tsy marina izany hoe tsy ampy ny mpitandro filaminana ary tsy vahaolana. Raha tsy ampy izy ireo dia tokony tsy hisy intsony ireo mijanona ao amin’ny  birao na manao asa an-tselika miambina ireo mpanam-bola, toy ny karana sy ny sinoa ary ny vazaha. « Tsy tena hetsika ny ataon’ireo mpitandro filaminana fa fanomezana vahana ny kolikoly satria vao mainka manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Very foana ny vola  lanin’ny Fanjakana amin’ireo fanaovana hetsika famongorana asan-dahalo isan-karazany ireo. Nanomboka nisian’io hetsika io dia mahazo vahana ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday any Betroka ary efa mananika any amin’ny lavitrisa any ny vola mihodina ao. Lasa renivohitry ny amin’izany mihitsy aza any an-toerana amin’izao fotoana izao ».

 

Azo foanana ny asan-dahalo

Azo foanana tsara ny asan-dahalo ary tsotra ny fomba hanaovana izany.

« Ampiasaina ny dina, ambenana ry zareo eny amin’ny fitsarana, atao tsara ambina ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany satria amin’ireo olona voatonona ireo no mampangalatra ny dahalo noho ny kolikoly sy ny faneriterena amin’ny fisian’ny tsikombakomba ratsy ».

Tsy tokony hanenjika olona tokana ihany koa ireo mpitandro filaminana fa tokony hasiana ny hetsika mpividy omby halatra. Matoa misy ny mpangalatra dia misy ihany koa ny mpividy. Tokony ho jerena akaiky, ihany koa, ireo mpiasa eny amin’ny ministeran’ny Fiompiana izay mivarotra ny kavin’omby satria tokony hodorana izy ireny rehefa maty ireo omby nefa tsy izay no hita. Noho izany, tsy tokony hifanomezan-tsiny ny asan-dahalo fa raharahan’ny tompon’andraikitra rehetra. « Fa ny hevitra tena mahomby dia ny famerenana ny fanaovana sesin-tany any Nosilava ihany satria tena atahoran’ny olona any Atsimo izany. Eo rahateo  ny tsy fananan’ny fianakaviana ny ho enti-manana amin’ny fanaterana sakafo sy hanafarana azy ireo ».

 

• Tetik’asa « Tsy misy olo be, tsy maditra zaza, tsy lany vara »

« Tetik’asa nahomby, ihany koa, ny « Tsy misy olo be, tsy maditra zaza, tsy lany vara (harena)», ary ny tenako izao no nanao izany tamin’ny taona 2010. Tsy nanana tafondro, tanky na fitaovana mahery vaika aho fa afaka nampitsahatra ny asan-dahalo tamin’ny alalan’io tetik’asa io. Ireo omby halatra tratra tonga dia alevim-belona avokoa amin’izay lasa angatra. Fa ny olana hatreto, izay olona mijoro handrava io asan-dahalo io dia henjehina foana ka lasa manana fahavalo ».

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre