Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Anosizato – Novakian’ny mpitondra môtô ny jiron’ilay fiara

Nokapohan’ilay lehilahy nitaingina môtô tamin’ny aroloha teny an-tanany ny jiron’ny fiara iray teny Anosizato ka vaky. Raikitra avy hatrany ny fifampikasihan-tanana teo amin’ity nanimba fananan’olona ity sy ny tompon’ilay fiara. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nanao ny fandaminana teo amin’ny roa tonta. Disadisa sy hasorenana tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana no niantombohan’ity setrasetra teny Anosizato ity. Voalazan’ilay mpitaingina kodiaran-droa fa tsy nety nanome lalana azy mihitsy ilay fiara na dia hita aza fa misy hirika kely ahafahan’ilay môtô misongona ao anaty fitohanana. Tafaporitsaka teo alohan’ilay fiara ihany anefa ilay kodiaran-droa saingy nodomin’ilay saofera tao aoriana ka avy hatrany dia vaky ny jirony. Nidina nangatam-panazavana tamin’ilay nadona azy ilay mpitaingina môtô saingy vava be no valin-teny azony. Tezitra tamin’izany ity farany ka nosimbainy ny jiron’ilay fiara.

Lasa mpifahavalo ny ankamaroan’ny mpitondra fiara sy môtô eto an-drenivohitra amin’izao fotoana fitohanan’ny fifamoivoizana izao. Samy tsy te handefitra ary samy manao izay saim-patany vokatry ny hasorenana hany ka lasa manaonao foana ny ankamaroan’ny mpamily. Ny mpitandro filaminana rahateo tsy tena mampihatra ny sazy ho an’izay tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ka ny samy mpamily no  mifandramatra.

 

Dom

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre