Antsirabe – Tratran’ny polisy ny taksiborosy mpanao kolikoly
Efa sasatry ny miaina ka any ambaravaran’ny mpamosy no manoko sikidy! Tratra ambodiomby tany Antsirabe tamin’ity herinandro ity ny mpamily taksiborosy iray izay saika hanao kolikoly. Nanao fisavana tampoka ireo fiara mivezivezy ny kaomisaria tao an-toerana ary anisan’ny voasakana tamin’izany ilay fiara fitaterana. Toy ny efa fahazarany, nasian’ilay saofera vola tao anatin’ny antontan-taratasin’ny fiara entiny ka nanaitra ny kaomisera izay tonga nampiseho avy hatrany fa tsy mandaitra aminy ny fanaovana kolikoly. Efa fahazaran-dratsy raiki-tapisaka eo amin’ny mpitatitra sy ny mpitandro filaminana sasany ny kolikoly hany ka heverin’ireo saofera fa manao izany avokoa ny rehetra.
Voalazan’ny mpamily taksiborosy fa na ara-dalàna avokoa aza ny taratasy rehetra dia tsy maintsy manome rakitra kely ho an’ireo zandary mpisava eny an-dalana izy ireo mba hitandroana ny fihavanana sy ny finamanana eo amin’ny roa tonta. Misy fiara mpitatitra mandany hatramin’ny 20.000 Ariary mahery isaky ny mandeha satria tsy maintsy omena vola avokoa ny mpitandro filaminana rehetra manakana eny an-dalana.
Dom