Vokatra tsy ihinanan-kanina
Nirehareha fatratra fa afa-po tamin’ny asa nataony nandritra ity taona ny governemanta. Sahy nandroso antontan’iza mihitsy fa tratra hatrany amin’ny 87 isan-jato ny tanjona napetraka ary tena nisy fiantraikany tany amin’ny fiainam-bahoaka izany. Mampametra-panontaniana ny maro ihany anefa izany satria tsy hita akory izay fari-piainana nihatsara hatramin’ny 87 isan-jato teo. Ny mifanohitra amin’izay ary no nitranga satria niakatra avokoa ny vidin’entana rehetra eny an-tsena. Tsy ny sakafo ihany fa ny fanafody, ny fitafiana, eny hatramin’ny entana elektronika izay fividin’ny olona rehefa fety toy izao dia nisondrotra avokoa. Ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fidinan’ny sandan’ny Ariary no voalaza fa nahatonga izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana no mifehy ny vidim-piainana ary porofo iray tsy azo ivalozana amin’ny tsy fahombiazana ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena.
Toa mampiseho ny fanambaran’ny governementa tamin’ny alakamisy lasa teo, teny Iavoloha, fa tsy maharaka ary tsy mahafantatra velively izay zava-misy marina iainan’ny mponina ny mpitondra. Sahin’ny praiminisitra no nilaza fa tena hita ny fiantraikan’ny ezaka nataon’ny governemanta eny amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy fantany angamba fa miakatra isan-kerinandro ny vidin’ny vary sy ny hena, ary adinony fa nanjakan’ny olana maro ity taona hivalona tsy ho ela ity.
Teo amin’ny lafiny fahasalamana izao dia nirongatra ireo areti-mifindra samihafa, toy ny pesta, ny tazomoka, ny haromontana, ary ny lefakozatra. Ity farany dia efa nosokajiana ho tsy misy intsony maneran-tany nefa mbola mamely ihany eto Madagasikara. Tao anatin’ny fotoana nanaovana ny hetsika vakisiny faobe hatrany no nahitana trangana lefakozatra. Izany hoe tsy nahomby ny hetsika natao. Niaraha-nahita ihany koa fa tsy nahay serasera ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Serasera, ary ny Fanabeazam-pirenena izay saika hanao tery vay manta ny ray aman-dreny hampanao vaksiny ny zanany kinanjo nisedra fandavana mafy avy amin’ny vahoaka.
Toy izany ihany koa ny teo amin’ny sehatry ny fampianarana izay nahitana fahavoazana goavana teo amin’ny voka-panadinana ofisialy. Milaza ho tena miasa sy mahavita azy ny eo anivon’ny minisitera ary tena mahay amin’ny resaka fampitam-baovao sy serasera nefa tsy hita nisongadina tamin’ny fahaizan’ny mpianatra ny vokatr’izany. Ankizy an’alina no voatery tsy maintsy mamerin-taona na ihany koa mitsoaka an-daharana tsy hianatra intsony satria tsy afaka cepe, bepc, na bakalorea. Na inona na inona fanazavana dia tsy ny zaza malagasy no dondrona fa ny politikan’ny fampianarana no tsy manjary.
Mbola nampijaly ny vahoaka, ihany koa, ny delestazy izay tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao. Maro ihany ny fanambarana tetsy sy teroa nataon’ny fitondram-panjakana saingy tsy arakaraka izay lazaina eny ambony kabary ny zava-misy. Mbola tapaka foana ny jiro sy ny rano amin’ny faritra maro manerana ny Nosy nefa ny fakitioran’ny Jirama tsy mitsaha-misondrotra. Fatiantoka tsy hita pesipesenina no nanjo ireo orinasa maro sy ireo olona mivelona amin’ny fampiasana herinaratra toy ny mpivarotra sy ny mpanao volo ary sehatra maro samihafa.
Tsy adino ny resaka fandriampahalemana izay miha ratsy isan’andro satria hatramin’ny mpitandro filaminana no voatafika sy naripaky ny jiolahy sy ny dahalo. Izany hoe, ankoatra ireo mpitondra fanjakana ambony dia tsy misy na iza na iza afaka hiteny fa tsy ho tratran’ny jiolahy eto Madagasikara. Miha mahery setra ny dahalo, mitombo ny fakana an-keriny, tsy hita isa intsony ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery.
Santionany kely amin’ny jery todika mahakasika ny fiainam-pirenena tamin’ity taona ity ireo rehetra ireo izay mampiseho fa miha-ratsy ny fiainan’ny malagasy ary miha-fadiranovana ny firenena. Ny mpitondra anefa manitrikitrika fa tena niasa ary nahita vokatra misongadina. Vokatra tsy ihinanan-kanina.
Ravalo tsy Manana