Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ikongo – Ankizy roa maty nilatsaham-potaka

Ankizy mianadahy 7 taona sy 8 taona no namoy ny ainy nilatsahan’ny varatra tany amin’ny fokontany Maroby Ikongo ny alarobia lasa teo. Avy nianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ireo zaza ireo ka teny an-dalana hody no izao niharam-boina izao. Nanoram-baratra be tany an-toerana tamin’io fotoana io ka izao nihafara tamin’ny namoizana ankizy izao. Nisy ihany koa olona hafa naratra voakasiky ny tselatra tany an-toerana tamin’io andro io. Efa ho andro maromaro izay dia nanomboka avy ny orana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Mahery vaika tanteraka izany ary miteraka fahasimbana eo amin’ny foto-drafitr’asa ka mampitaraina ny mponina. Any Bezaha izao dia misy tetezana tapaka amin’ny lalana mampitohy amin’i Benenitra ka voatery tsy maintsy miampita lakana sy manakarama mpibata entana ny olona. Tsy mbola nisy kosa ny fepetra maharitra noraisina mba hamerenana ilay tetezana amin’ny laoniny.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre