Mahajanga – Jiro tapaka, rano miakatra
Sahirana ny mponina ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity satria raha tsy jiro tapaka no iainana dia oram-be sy rano miakatra. Ny alakamisy lasa teo izao dia nisy fokontany tsy nanan-jiro nandritra ny ora 10. Toy ny mahazatra dia nahita fanazavana ara-teknika hatrany ny Jirama izay nilaza fa fanamboarana maika no nahatonga io fahatapahan-jiro naharitra tontolo andro io. Omaly kosa indray dia nanoram-baratra vao maraina tany an-toerana. Nikoropaka avy hatrany ny tompon’andraikitra ary nanao antso avo ho an’ireo olona monina eny amin’ny faritra iva mba hiakatra amin’ny toerana avo. Toa an’Antananarivo sy Toamasina ihany mantsy dia tsizarizary ny tambazotran’ny tatatra fanarian-drano ao an-drenivohitr’i Boeny ao. Vao avy kely ny orana dia efa sahirana sy mihorohoro ny mponina amin’ny mety hisian’ny tondra-drano sy ny fiparitahan’ny areti-mifindra. Mila mandray andraikitra goavana ny fitondram-panjakana amin’ny fanampiana ny kaominina an-drenivohitra rehetra hanavao sy hampitombo ny ‘tambazotra’ fanarian-drano.
Dom