Mody manome nefa dedaka !
Efa manatomotra ny fetin’ny noely ary mitombo ihany koa ny fizarana fanomezana etsy sy eroa. Maro amin’ireo mizara zavatra ho an’ny sokajin’olona sahirana no dedaka ka ny fandefasana ireny amin’ny fampahalalam-baovao no mahamaika. Misy tena mandany vola be mihitsy atao felaka ho an’ny mpanao gazety mba hivoaka amin’ny “radio sy tele” ho hitan’ny olona hoe tsara fanahy satria nanome ny mahantra sy ny sahirana. Tsy fantatr’izy ireo na adinony ilay teny fahendrena milaza hoe aza atao fantatry ny tananao ankavanana akory izay ataon’ny tananao ankavia. Ny manome arahina fireharehana mantsy dia mitovy amin’ilay mizara hena arahin-dromoromo.
Lasa hadedahana sy fifaninanana hitadiavana laza sy rehareha sisa ny fitsinjovana ny mahantra ho an’ny ankamaroan’ireo milaza azy ho mpanao asa soa. Fotsim-bary sy menaka ary siramamy no zaraina dia iantsoana mpanao gazety. Ny tena mampanongo tena aza ireo minisitera mizara zavatra kely ho an’ny mpiasa ka tsy maintsy havoaka amin’ny gazety. Tsy misy hiraharahian’ny mpividy sy mpamaky gazety mihitsy izay fizarana fanomezana tetsy sy teroa. Tsy tafiditra amin’ny tombontsoam-bahoaka sy ny tombontsoam-pirenena ireny hetsika ireny, kajikajy politika fotsiny mba hisehosehoana fa mitsinjo ny maha olona sy ny vahoaka madinika.
Tsy fanomezana sy fanampiana no ilain’ny vahoaka malagasy fa asa mahavelona ahafahany mahaleo tena sy mividy izay zavatra ilainy. Tsy biby fiompy akory ny malagasy ka hiandry ho fahanana sy sesefana rehefa misy ny ilana azy. Henatra ho an’ny firenena ary porofo mivaingana fa tena latsaka an-katerena sy farahidiny ny fisian’ireny fizarana fanomezana etsy sy eroa ireny. Tokony ho menatra sy tsy sahy hisehoseho ny mpitondra satria matoa misy olona omena fanampiana dia faharidiny izy izay. Ny mpitondra anefa manizingizina fa niasa mafy sy niezaka ary nahazo vokatra hatramin’ny 87 isan-jato. Tena nipaka tany amin’ny fiainam-bahoaka izany vokatra izany hoy izy ireo. Izany hoe raha ny lojika dia tokony efa mba nanana ny ampy avokoa ny malagasy rehetra ka tsy mila izay menaka iray tavoahangy sy vary 5 kilao ary siramamy kely sns.
Fihetsiketsehana sy hadedahana no betsaka ary toa manararaotra ny krismasy hanafenana ny krizy mafy mihatra amin’ny vahoaka ny mpitondra. Ireo antoko politika sy fikambanana milaza azy ho mpanao asa soa, ihany koa, tsy mijanonana amin’ny foto-kevitra ijoroany fa manararaotra ny fahantran’ny hafa hisehosehoana sy hireharehana fa izy ireny no tena mahavita. Mafy ny manjo ny vahoaka madinika satria toa arahin-dromoromo avokoa na ny fanomezana kely patsa indray mahandro ao anatin’ny fety aza. Isaky ny mandrapaka iray sotro amin’ilay vary natolotra azy ireo sahirana dia mahatsiaro fa misy fikambanana any ho any dedaka fa nanampy azy.
Tsy mba mivavaka angamba ireny mpanome ireny satria ny sokajim-pivavahana rehetra misy dia mandrara ny fireharehana sy ny fampahafantarana ny fanomezana natao. Ho ahy kristianina dia Andriamanitra irery no tokony mahafantatra ny soa nataoko ho an’ny hafa fa tsy aparitako hivadika ho rehareha ho ahy izany. Koa mba manipy teny ihany ho an’ireo mpihatsaravelatsihy miseho ho tsara fanahy nefa hadedahana ny ao ambadik’izany. Kajikajy politika sy fitiavana te homem-boninahitra sy ho dokafana ho olo-mendrika mba tsy hanararaotra ny fahantran’ny hafa atao tohatra fiakarana. Tsara ny manome saingy mila atao am-panetre-tena izany mba tena hita tokoa fa vokatry ny fo.
Tsy natao hifaninanana ny fitsinjovana ny hafa fa sitra-po sy fahatsapan-tena fa manana adidy amin’ny fiaraha-monina sy ny mpiray tanindrazana. Mba manetre-tena ry mpanam-bola fa aza dedaka! Rehefa manome dia ataovy amin’ny fo ary aza andrasana valim-pitia na fisaorana akory satria raha tena vokatry ny fo ireny, Andriamanitra no hamaly azy araka ny hoe ‘izay nataonareo tamin’ireny madinika ireny no efa nataonareo tamiko koa’.
Ravalo tsy Manana