Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Mpandeha 3 maty, 12 naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona indray ny lalam-pirenena faha efatra. Fiara taksiborosy mampitohy an’i Mahajanga sy ny renivohitra no niharan-doza rehefa tonga teo Ankazobe teo amin’ny ampahan-dalana pk 87 ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny efatra ora maraina. Tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny tena antony nahatonga ny loza fa raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao dia niditra tamin’ny lalana tsy ahafahan’ny fiara mifanena ilay taksiborosy ary rehefa niditra fiolahana, avy dia nanitsy tany amin’ny tetezana. Nidona mafy tamin’ireo vy mamefy ilay tetezana ny fiara ka nitarika ny fahafatesana sy faharatran’ny mpandeha tao anatiny. Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy teo no ho eo ary mpandeha 12 hafa kosa no naratra nentina namonjy hopitaly. Nisy ireo tena voa mafy ary tao koa ireo tsy dia naninona ka isan’izany ny ankizy 12 taona izay voalaza fa nieren-doza tokoa raha ny fitantaran’ireo mpandeha. “Nipetraka tamin’ny toeran’ireo olona namoy ny ainy ity tovolahy ity no nahilikilik’ireo nilaza fa tompon’ny toerana. Voatery nifindra izy noho izany ka io no isan’ny nahavotra azy izany”.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre