Fanafihana « cyber café » – Mpiambina maty norarafan’ny jiolahy tifitra
Taorian’ny fanafihana tobin-dasantsy teny amin’ny faritra Ivato dia “cyber café” indray no lasibatra ny sabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany teo no nitrangan’ny fanafihana ka dimy lahy izy ireo no fantatra fa nanao izany. Raha vantany vao nahatsikaritra azy ireo ny mpiambin’ilay toerana, avy dia nanohitra. Ankilan’izay anefa, tsy nisalasala akory ny iray tamin’ireo jiolahy nampiasa ny basy teny aminy ary avy dia nitifitra ilay mpiambina.
Teo no ho eo ihany dia namoy ny ainy ity farany. Tsy nijanona hatreo ny herisetra nataon’ireo jiolahy fa mbola nitohy izany rehefa nifanehitra tamin’ny tompon’ilay “cyber” sy ny mpanjifa mbola tavela tao izy ireo. Vehivavy iray no fantatra fa tapaka ny feny noho ny vono nataon’ireo mpandroba.
Tsy niala maina ireo jiolahy nandritra ny fanafihana satria dia vola mitentina 1,4 tapitrisa no lasan’izy ireo. Nirefodrefotra ny basy ka isan’ny nanaitra ireo mpitandro filaminana eny an-toerana izany. Nanenjika avy hatrany ny miaramila sy ny zandary miaraka ka iray tamin’ireo jiolahy no voasambotra ny harivan’io sabotsy io ihany. Mbola karohana kosa ny namany. Marihina moa fa vao nisokatra tsy ela akory ity “cyber” ity dia izao efa voatafika izao sahady.
N.F